Dans la mme rubrique

Filoha lefitra vaovaon'ny CENI "Tsy olana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy"

22/09/2020

Tontosa omaly 21 septambra teny amin'ny Fitsarana Tampony Anosy ny fihanihanan'ny Filoha lefitry Vaovaon'ny CENI Atoa Benaivo Andrianaly Narcisse.

Filoha lefitra vaovaon'ny CENI "Tsy olana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy"

Hamaky ny tohiny...

Dosie mafampana Mailo ny filohan’ny HCC

22/09/2020

Nalaina hiresaka sy tsy namaly ny mpanao gazety ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Atoa Jean Eric Rakotoarisoa omaly momba ny raharaham-pifidianana loholona sy momba ireo fitoriana tafapetraka eny amin’ny HCC Ambohidahy.

Dosie mafampana Mailo ny filohan’ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy “Anjaran’ny fanjakana ny manatontosa ny fanonerana”

22/09/2020

Nisokatra omaly tetsy Ampefiloha ny andiany faha 30 amin’ny fivoriamben’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy. Isan’ny votoatin-dresaka tao

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy “Anjaran’ny fanjakana ny manatontosa ny fanonerana”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Leva Naiditra am-ponja ao Morondava indray

22/09/2020

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Morondava indray, raha ny fampitam-baovao voaray, ny solombavambahoaka teo aloha, Ludovic Raveloson, fantatry ny maro amin’ny hoe depiote Leva.

Depiote Leva Naiditra am-ponja ao Morondava indray

Hamaky ny tohiny...

Vonison Andrianjato “Miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana”

22/09/2020

Mifanenjana amin’ny heveriny fa rariny sy hitsiny ny mpitondra sy ny mpanohitra. Miha mifoha ireo toe-javatra maneho ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana Rajoelina.

Vonison Andrianjato “Miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Antoko RCR Tsy manaiky intsony ny fivangongoam-pitantanana

22/09/2020

Ny fanombohana ny fanovana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika RCR na famondronana ny olompirenena tomponandraikitra, tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison,

Antoko RCR Tsy manaiky intsony ny fivangongoam-pitantanana

Hamaky ny tohiny...

Alain Ratsimbazafy “Tokony ampiana aza ny isan’ny loholona”

22/09/2020

Niainga tany amin’ilay fandaniana ny hitsivolana noraisin’ny filoham-pirenena nandalo teo anivon’ny antenimiera roa tonta ary nananganana ilay vaomiera ikambanana isasahana isika, hoy ny solombavambahoaka, Alain Ratsimbazafy.

Alain Ratsimbazafy “Tokony ampiana aza ny isan’ny loholona”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fizotry ny fifidianana 98% tsy nahitana korontana

12/07/2019

Nanolotra ny tatitra farany mikasika ny fanaraha-maso ny fifidianana solombavambahoaka 2019, ary ireo tolo-kevitra entina hanatsarana ny fifidianana ho avy sy ho fisorohana ny fomba mamohehatra amin'ny fifidianana ny SAFIDY omaly. Tamin’ny ankapobeny, ny fifidianana dia nizotra tamin’ny filaminana, 98% tsy nahitana korontana.

Ny dingana rehetra nandritra ny fifidianana solombavambahoaka 2019 dia nizotra tamin’ny filaminana na teo aza ireo tsy fahatomombanana sy lesoka. Nahatsapa ny SAFIDY fa tsy nisy mangarahara ary maimaika sy nisy fanilihana ny fanovana ny lalàna mifandraika amin’ny fifidianana solombavambahoaka, indrindra mikasika ny fanovana ny fomba fizarana toerana izay tsy nampahafantarina ny besinimaro raha tsy taorian’ny fandaniana azy.  Misy amin’ireo tsy fetezana efa niverimberina no mbola hita mandoto ny zotram-pifidianana toy ny lalam-pifidianana.   Etsy an-danin’izay, nisy ny lesoka sy tsy fahatomombanana teo amin’ny lalàna misy ankehitriny: fahabangana eo amin’ny fombafomba atao amin’ny famerenana ny vola naloa raha tsy nekena ny filatsahan-kofidiana,  tsy fisian’ny fepetra momba ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra, tsy fisian’ny fetra farany ambony momba ny fandaniana mandritra ny fampielezan-kevitra sy ny tsy fanerena ny fanokafana kaonty any amin’ny banky ahafahana manaraka ny fandaniana amin’izany, ary tsy fampiharana ny lalàna mikasika ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra. Manampy trotraka ireo ny fe-potoana fohy loatra ahafahana mametraka ny fitoriana. Tombana amin’ny voka-pifidianana sy ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka : ambany ny fototra nahavoafidy azy. Noho ny fihenan’ny taham-pandraisana anjara tamin’ireny fifidinana ireny, ny fametrahana ny fandehanana mifidy ho didy tsy azo ihodivirana dia adihevitra sy fandalinana lalina tokony hataon’ny mpisehatra rehetra.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana