Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Koanty fosika amin’ny Facebook Karohina ireo misandoka ny ministeran’ny fiarovam-pirenena

12/07/2019

«Fiarovam-pirenena » no facebook marina ho an’ny foloalindahy. Efa eo am-pikarohana izay tompon’ny hosoka na « page fake » ihany koa ny tompon’andraikitra, noho ny vaovao tsy marina mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny fiandrianam-pirenena.

 

 

 

 

 

 “Ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena dia efa manao fanadihadiana mikasika ny tompon’andraikitry ny pejy sandoka mitondra ny anaran’ny « Forces Armées Malagasy », hoy ny fampitam-baovao ofisialy. Nanamafy ny loharanom-baovao fa hisorohana ny fampitam-baovao tsy ofisialy sy tsy marina, ampahafantarina ny rehetra fa tsy pejy ofisialy ary tsy ara-dalàna ny pejy mitondra ny anarana « Tafika Malagasy » sy ny fampiasana ny sary famantarana izay tsy nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy. Arak’izany, ny pejy Facebook ofisialin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena dia «Fiarovam Pirenena » ny F sy P dia renin-tsoratra  ary tsy misy tsipi-panohizana. Io no sehatra hifanakalozana vaovao sy hifaneraserana amin’ireo mpanara-baovao amin’ny tambajotram-piarahamonina. Ary izany pejy izany dia miaraka amin’ny sary famantarana misy ny minisitera. Tsy misy pejy hafa ara-dalàna ankoatra an’io pejy io ka entanina ny besinimaro mpanara-baovao mba ho mailo.

Haja Nirina

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana