Dans la męme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fisolokiana vola,merkiora,uranium Tra-tehaka tao Antsirabe ireo jiolahy

12/07/2019

Tra-tehaka tany amina lehilahy efatra ny taratasin-tany na “titre foncier” hosoka, vola, merkiora, mena-bato, uranium izay samy sandoka avokoa.

 

 

 

 Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny «commissariat central» Antsirabe ny 2 jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30mn hariva izy ireo. Teo amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra no nahitana azy ireo ka izao voarohirohy amin’ny resaka fisolokiana sy fampiasana taratasy hosoka izao. Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, efa misandrahaka amin’ny sehatra maro ny fampiasana hosoka ataon’ireto tovolahy voasambotra ireto. Milaza izy ireo  fa mahita merkiora, uranium ary mena-bato. Nanamafy ihany koa amin’ny olona sendra azy  fa tena misy ireo zavatra voalaza ireo. Tsy misy  avokoa anefa ireo voatanisa  rehetra ireo fa dia fisolokiana  tsotra izao no ao ambadika. Taorian’ny  fitarainan’olona  sy ny angom-baovao voarain’ny polisy miasa ao Antsirabe dia natao ny vela-pandrika sy fanarahan-dia ka izao nahatrarana azy ireo izao.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana