Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanendahana miaro vono olona Voasambotra i Abrahama

12/07/2019

Tovolahy iray vao erotrerony 20 taona fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Abrahama no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP4 Isotry teny Anatihazo Isotry ny 8 jolay lasa teo tamin’ny 3 ora tolakandro

 

 

 

resaka fanendahana miaraka amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana. Fantatra fa ity tovolahy voasambotra ity dia efa maro ny fitoriana mahakasika azy ao amin’ny polisin’Isotry sy  Ampefiloha miaraka amin’ny fitarainan’ny olona maro eny anivon’ny  fokontany izay efa misy hatrany amin’ny 73. Tsy vitan’ny manendaka moa ity lehilahy fa sady mamono no mandratra olona rehefa manao ny asa ratsiny. Raha hiverenana ny zava-misy, vehivavy mpianatra iray avy eo amin’ny sekoly Andavamamba  andeha hamonjy cyber tsy lavitra ny toeram-pianarana  no narahana telolahy . Ny 2 lahy  mody  mandeha tsotra miaraka aminy, ny 1 kosa naka avy hatrany ny entana teny an-tanan’ilay vehivavy sady nanambana antsy ka lasa tamin’izany ny finday 1. Niantso ny anadahiny avy hatrany ilay voaendaka mba hanampy azy  ; ity farany indray avy eo no niantso  ny polisin’ny CSP4.   Nitsofoka tany Anatihazo Isotry ilay olon-dratsy ka nifanojo tamin’ireo  mpitandro ny filaminana.  Voasambotra ny iray tamin’izy ireo ary ny antsibe izay nampiasainy dia natsipiny tany anaty rano.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana