Dans la mme rubrique

Tafika ana habakabaka Tena ilaina amin’ny fametrahana fandriampahalemana

05/09/2019

Nanatanteraka fitsirihana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy teny amin’ny kianja « Soamandrakizay » ny praiminisitra ny harivan`ny 03 septambra 2019 ary niaraka tamin’izany dia nisy ny lanonana namoahana mpanamory angidimby tamin’ny fomba ofisialy, notanterahina tao amin’ny foiben’ny Tafika ana habakabaka Malagasy.

Tafika ana habakabaka Tena ilaina amin’ny fametrahana fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny...

Tsy filaminana eto amin’ny firenena “Misy andraikitra tsy efan’ny fitondrana.”

27/08/2019

Malahelo amin’ny fisian’ny tsy filaminana eto amin’ny firenena izahay mpiaro ny zon’olombelona, hoy ny filohan’ny fikambanana Zon’olombelona mampandroso vahoaka sy Zon’olombelona mijoro,

Tsy filaminana eto amin’ny firenena “Misy andraikitra tsy efan’ny fitondrana.”

Hamaky ny tohiny...

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo

16/08/2019

Lanonana telo sosona no notanterahina teo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny alarobia 14 aogositra 2019 teo, dia ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny DRH (Direction des Ressources Humaines),

Polisim-pirenena Nahazo tale vaovao telo

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika efa adinodino Mety hipoitra indray

08/08/2019

Na tsy mbola fantatra aza ny tena daty ofisialy dia naman’ny azo lazaina foana hoe akaiky ny fifidianana ben’ny tanàna. Be ny zava-nanaitra teo amin’ny tontolo politika tato ho ato.

Mpanao politika efa adinodino Mety hipoitra indray

Hamaky ny tohiny...

Fakana an-keriny sy asan-dahalo Mpanao “kidnapping” 5 lahy tratra

05/08/2019

Tratra ny jiolahy miisa 5 naka an-keriny zazalahy 12 taona tany Betela Morarano Kraoma, distrikan’Amparafaravola ny harivan'ny 16 jona 2019.

Fakana an-keriny sy asan-dahalo Mpanao “kidnapping” 5 lahy tratra

Hamaky ny tohiny...

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra

30/07/2019

Nisy nikasa hiditra an-keriny ny toerana nanagiazan'ny kaominina ireo omby azo avy any Soahazo Mangalahy. Ny sabotsy lasa teo no tsikaritra fa nisy nanapitsoka ny toerana nitazonan’ny kaominina Betroka ireo omby saron'ny zandary ireo.

BETROKA Nisy namaky ny vala nanagiazana ireo omby halatra

Hamaky ny tohiny...

Ratsimindriona Aida Hardy « Folo isan’andro ny fasana vaky any Taolagnaro”

29/07/2019

“Laharam-pahamena ny ady amin`ny tsy fandriampahalemana » hoy Rtoa Ratsimindriona Aida Hardy, solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Taolagnaro.

Ratsimindriona Aida Hardy « Folo isan’andro ny fasana vaky any Taolagnaro”

Hamaky ny tohiny...


Fandriampahalemana

Soahazo Ivahona distrikan’i Betroka Rava ny tanàna noho ny famitahan’ny dahalo ny zandary

12/07/2019

Mitaky fanadihadiana tsy mitanila avy amin’ny fanjakana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon’olombelona ny fianakavian’ireo maty notifirin’ny zandary tao Soahazo,

 

 

 

 fokontany sy kaominina Ivahona, ao amin’ny distrikan’i Betroka ankehitriny, hivoahan’ny marina momba ity raharaha miteraka resabe ity.

Nanambara ny solontenam-pokonolona nitondra ny fitarainana fa : « tsy misy fantatry ry zareo ny anton’ny hetsika nataon’ny zandary tany an-tanànany  satria dia niara-niasa hatrany tamn’ny mpitandro ny filaminana izy ireo. Lavinay mponina tanteraka ny filazana ofisialy navoakan’ny zandary fa tanànan’ny dahalo i Soahazo, hoy izy, sy nandraofana omby halatra 400 isa. Voafitaky ny tena dahalo izay nanafika anay ny zandary, hoy ny fanampim-panazavana azo. Ireo  olona nitarika ny zandary handripaka ny vahoakan’i Soahazo ihany no namono ny komandin’ny kaompanian’ny zandary tao Betroka niaro ny tanàna tamin’ny taona 2015.  

Tsiahivina fa tonga vao maraim-be tao Soahazo ny zandary ny 28 jona teo ary tsy niresaka fa nanao tifi-davitra avy hatrany, nandoro trano efatra tao an-tanàna ary nitifitra ny ray aman-dreny saika hanontany ny anton’io hetsika io. Rava fananana tanteraka ny mponina satria may avokoa ny tahirim-bary nandritra ny taona ankoatra ny vola ary ireo omby 400 nalain’ireo sivily niara-dia tamin’izy ireo tao am-bala. May ihany koa ny bokin’ireo omby nentin’ny zandary ireo.  Nandositra ny vatan-dehilahy mba tsy hifanoherana amin’ny fanjakana, nisy ny nofatorana izay tratra tao an-tanàna ary nisy notifirina ihany koa.

 

Rabri

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana