Dans la mme rubrique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Ben’ny tanàna Ireo toetra takiana aminy

13/07/2019

Amin’ny volana oktobra ho avy izao dia hiroso amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ny tanàna isika eto Madagasikara. Inona no tokoa marina no asan’izany mpitantana ny tanàna izany ?

 

 

  Ny ben’ny tanàna no mitarika ny asan’ny mpanatanteraka any amin’ny kaominina na any amin’ny tanàna. Tsy maintsy miaraka amin’ny filankevitry ny tanàna na ny atao hoe « organe délibérant ». Ny ben’ny tanàna eo no manatontosa ny asa  saingy  ny didy sy ny fanapahana horaisina dia, voalohany, tsy maintsy arahin’ny fanapahan’io filankevitry ny tanàna io. Faharoa, tsy maintsy arahin’ny solontenam-panjakana izay vao afaka mivoaka io no fampandrosoana ifotony entin’ny Ben’ny tanàna sady miankina ny vola miditra ihany koa. Araka izany, mila olona mahay mampidi-bola, mahay miresaka amin’ny olona isan-karazany ao anatin’ny fanajana ny lalàna. Mila mahay mifehy ny fomba fitantanam-bola sy ny fitantanana raharaham-panjakana. Tsy ampy ny fahafantarana io fitantanana asam-panjakana dia matetika miteraka olana. Ankoatr’izay mila mahay mifidy ny mpiara-miasa aminy ny ben’ny tanàna ahafahana manoro azy ny zavatra tokony ho hita ao amin’ny tanàna izay entiny. Ny vahoaka ihany koa dia tsy tokony hohadinoina. Raha maka ohatra any amin’ireo firenena mandroso dia ny vahoaka madinika mifidy dia mahazo miatrika ireny fivorian’ny filankevitry ny tanàna ireny. Amin’io fotoana io no afaka mangataka ny vahoaka izay filàny. Tsara raha ekena ny hisian’ny vahoaka amin’ireny fivoriana ireny, midika izany fa misokatra ho an’ny sefom-pokontany sy ny vahoaka ny ben’ny tanàna. Raha azon’ny mpanohana ny fitondrana ny toerana maha ben’ny tanàna ka mpanohitra ny filankevitry ny tanàna dia tsy tokony hifamingampingana fa tombontsoan’ny vahoaka no jerena.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana