Dans la mme rubrique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Maherifon’ny Firenena Makotrokotroka ny fitsenana ny Barea anio

13/07/2019

Higadona anio amin’ny 3ora tolakandro eny amin’ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato ny Barean’i Madagasikara.

 

 

Hotsenaina amin’ny fomba makotrokotroka ireo maherifontsika izay nitondra rivo-baovao ho an’ny Malagasy manontolo satria tena niady ho an’i Madagasikara, ary nahavita nampiombona ny Malagasy iray manontolo. Ivato, handalo ny lalam-baovao, Tsarasaotra, Alarobia, Ankorondrano, Antanimena, Analakely, Ambohidahy ary Mahamasina. Hijanona roa andro eto Madagasikara, ka tafiditra ao anaty fandaharam-potoana ny fandraisan’ny filoha eny Ambohitsorohitra sy hiara-kisakafo aminy eny Iavoloha ary hotolorana mariboninahitra.  Na teo aza ny faharesentsika teo amin’ny dingana ampahefa-dalana sy ny mety ho fahakiviana na teo amin’ny mpilalao na teo amin’ny mpankafy, dia miray fo sy miray feo tanteraka. Mitodika any amin’izy ireo ny fo sy sain’ny Malagasy manontolo, ary tena manohana na tamin’ny fahombiazana na tamin’ny fahalavoana. Azo antoka fa hisinda tanteraka ny tandindon’ilay fiondrehana teo anatrehan’ny Tonizianina fa hery lehibe hahafahana miomana sy miroso amin’ny dingana manaraka ny fiombonam-po hatrany eo amin’ny mpilalao sy ny vahoaka Malagasy tsivakivolo. Nahafahantsika nanovo lesona maro be ihany koa ny fiatrehana ny « CAN 2019 » na ho an’ny mpitantana na ho an’ny mpilalao na ho an’ny mpankafy. Nipetraka ho modely ny Malagasy tamin’ny fiaraha-mientana teo amin’ny mpilalao sy ny mpanohana ary tsara laza manerana izao tontolo izao. Hitan’ny mpitondra sy ireo rehetra nakany Egypta ny fandrosoana sy ny zava-misy azo ampiharina aty Madagasikara toy ny resaka fotodrafitrasa mila hatsaraina, ka any taona mba i Madagasikara no hampiantrano ny CAN. Mendri-piderana ny fihetsika fanaon’ny mpijery nanadio rehefa tapitra ny lalao ny, ka inoana sy azo antoka fa hiseho izany etsy Mahamasina na amin’ireo kianja hafa rehefa misy lalao goavana fa tsy sanatria ho feno loto sy fako na tavoahangy feno maloto. Hiakatra ny fankafizan’ny Malagasy ny baolina ary tena ho mpanohana na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, fa tsy hanao sakaizan’ny mpandresy fotsiny.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana