Dans la mme rubrique

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

28/03/2020

Namoaka fanambarana ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena manoloana ny aretin-mandoza “coronavirus” izao. Voalohany,mbola manamafy hatrany

KMF-CNOE “Fiara-mientana no ahombiazana!”

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Niantso fahamatorana ho an’ireo sehatra tsy miankina

27/03/2020

Aoka isika mba ho matotra, hoy ny minisitry ny atitany, Tianarivelo Razafimahefa, omaly mantsy ireo sehatra tsy miankina mbola voatery manohy ny fampiodinana

Minisitry ny atitany Niantso fahamatorana ho an’ireo sehatra tsy miankina

Hamaky ny tohiny...

Fahafahan’ny mpanao gazety mivezivezy Nifampiresaka tamin’ny minisitera ny OJM

27/03/2020

Malalaka manomboka izao ny mpanao gazety amin’ny fikaroham-baovao, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM),

Fahafahan’ny mpanao gazety mivezivezy Nifampiresaka tamin’ny minisitera ny OJM

Hamaky ny tohiny...

Paikady sy serasera Misy fomba fiasa tokony amboarina ihany

27/03/2020

Niteraka resabe sahady omaly ny mikasika ny fanomezana 5 tapitrisa ariary izay manome vaovao na mahatratra ilay vehivavy nolazaina fa nanely tsaho raha nilaza fa efa maherin’ny 200 isa no voan’ny Coronavirus eto Madagasikara.

Paikady sy serasera Misy fomba fiasa tokony amboarina ihany

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy Mitady ho mandrimandry manana aretina sahady

27/03/2020

Andro fahaefatra amin’ny fihibohana, andro iray taorian’ny nilazan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa tsy nahitana tranga vaovao intsony taorian’ireo olona nitondra ny otrikaretina

Vahoaka malagasy Mitady ho mandrimandry manana aretina sahady

Hamaky ny tohiny...

Halatra finday sy vola Nidoboka eny Antanimora ilay jiolahy tsy ampy taona

26/03/2020

Nalefa eny Antanimora Lehilahy iray 17 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany faha-07 etsy 67Ha noho ny resaka fanendahana.

Halatra finday sy vola Nidoboka eny Antanimora ilay jiolahy tsy ampy taona

Hamaky ny tohiny...

Kaominina ivato Zaraina cache bouche sy gel maimaim-poana ny vahoaka

26/03/2020

Zaraina cache bouche sy gel maimaim-poana fanadiovana tanana tsy mandany rano reo vahoaka ao amin'ny kaominina Ivato.

Kaominina ivato Zaraina cache bouche sy gel maimaim-poana ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Famoahana zandary tany Moramanga Nanao antso avo ho an’ny fahamarinana ny praiminisitra

13/07/2019

Tontosa omaly maraina ny lanonana famoahana ofisialy ny andiany miisa telo avy ao amin’ny Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena (ESGN) tany Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro.

 

 

 Ny andiany faha-24 nanaraka ny « cours supérieurs de commandement », ny andiany faha-43 avy amin’ny « cours d’Application des Officiers » ary ny andiany faha-57 nanaraka ny « cours de Brevet professionnel de premier degré » ireo nivoaka ireo. Niofana nandritra ny volana vitsivitsy tao ao amin’ny ESGN izy ireo, izay mitotaly 154. 

 « Ny fahendrena, ny fahamendrehana sy ny fahamarinana no tokony ho fototra hiainan’ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny fanatanterahana ny asany », hoy ny praiministra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian tany an-toerana. 
Notolorany fisaorana manokana ny fianakaviamben’ny zandary satria manomboka miverina tsikelikely, hoy izy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitandro filaminana, ka anisan’ny nitondra anjara biriky tamin’izany ny teo anivon’ny Zandarimaria. Navoitra fa maro moa ny fepetra efa noraisina teo anivon’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity, toy ny famongorana ny kolikoly, ny fanaraha-maso akaiky ny fampiharana nandalovan’ny tsirairay mba tsy hisian’ny fahamoran’ny fisondrotanana mariboninahitra. Nanao antso avo ho an’ny foloalindahy sy ny polisim-pirenena, ny Lehiben’ny governemanta, ny hamerenana indray ny hasin’ny firenena mba ho tena firenena mandala ny fahamarinana.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana