Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Halatra omby faritra avaratry ny renivohitra Anisan’ireo dahalo raindahiny koa ny tompon’omby

13/07/2019

Ny mpamoaka any am-bala, ny mpiompy omby halatra izay notafihin’ireo namany ihany ary ny mpivarokena no miara-mitsikombakomba amin’ny fandrobana ny biby fiompin’Avarabohitra iray manontolo.

 

 

 

Ireo tambajotran’ny mpanodinkodina omby halatra ireo no saron'ny zandarimariam-pirenena Ambohimanga Rova. Halatra omby 3 nisesy tao amin'ny fokontany Ambohidahy, kaominina Ambohimanga Rova, Avaradrano ny alin'ny 10 hifoha 11 mey teo no niaingan’ny fanadihadiana. Andian-jiolahy tsy nitondra basy fa nampiasa torabato mba hampitahorana ny tompon'omby izay jiolahy ihany no nanao ny fanafihana tamin'ny 8 ora sy sasany alina. Adiny telo taorian'izay vao naheno ny mpitandro filaminana. Rehefa nantsoina ny tompon'omby nanara-dia dia tsy nandray telefaonina. Roa andro taorian'ny halatra dia tafaverina ny omby 2, izay marihina fa ny tompony ihany no naka azy tany amin'ny mpangalatra.

Taty aoriana,vokatry ny angom-baovao dia fantatra fa mpinamana ihany izy ireo. Vokatry ny valifaty noho ny tsy fahavitan'ny tompon'omby ny vola vidin'omby halatra teo aloha no nahatonga ny fanafihana. Tao anatin'ny fanadihadihana no nahitana fa omby tsy mazava avy amina faritra maro any avaratra ny renivohitra ireo omby namidin'ny mpanafika. Ity tompon'omby ihany kosa no mitady lalam-barotra hivarotana ny hena. Lafo ny hena vao aloa ny vola. Vokany, tambajotra izay misy ny mpandroaka ny omby halatra, ny mpividy ary ny mpivarokena no tratra, ka ny tompon'omby no ivo mampihodina io asa ratsy io. Miisa 5 ireo voasambotra ary mbola misy roa karohana. 

Haja Nirina

 



 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana