Dans la mme rubrique

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

20/03/2020

Lehilahy roa, 23 sy 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry omaly 19 martsa 2 noho ny resaka fitondrana zava-maranitra teny an-dalambe sy fanafihana mitam-piadiana.

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fifandonana fiara mpitatitr’olona sy omby Olona roa naratra mafy, maty ny mpamily…

13/07/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratrana sy nahafatesana olona ny lalam-pirenena voalohany, teo Ambatomitsangana, tamin’ny PK 52 sy 800m, ao amin’ny fokontany Antanetikely, kaominina sy distrika Arivonimamo.

 

Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary avy eo Ankadilalana, taksibrosy marika « Mazda » an’ny FIFIAMI izay nandeha mafy tao anaty fiolahana ka tsy voafehin’ny mpanamory no nifanehitra tamin’ny fiarabe marika «Mercedes Benz» iray, ny harivan’ny alarobia 10 jolay teo, sahabo ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Avy any amin’ny renivohitry ny Faritra Bongolava ilay fiara vaventy nitondra omby. Noho ny dona mafy nihatra tamin’ilay mpitatitr’olona izay hiankandrefana dia maty tsy tra-drano tamin’izany ny mpamily. Roa tamin’ireo mpandeha ihany koa no naratra mafy ka nomena ny fitsaboana sahaza azy ireo ao amin’ny ivontoeram-pitsaboana an’ny Distrika na CHDR Arivonimamo. Ilay mpitondra taksibrosy izay nodimandry kosa efa nomena ny fianakaviany. Ny zandary ao Arivonimamo no nandray an-tanana ny raharaha. Nisy tamin’ireo biby fiompy ihany koa no naratra. Ilay fiara kely sady iva marika “mazda” no tena voamafy raha mitaha amin’ilay fiara “Mercedes Benz”.

 

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana