Dans la mme rubrique

Lalao olimpika 2020 Nanaiky ny fanemorana ny COI

26/03/2020

Noho ny fangatahan'i Japon tokony handray ny lalao olimpika 2020 hanemorana izany hetsika izany amin'ny taona 2021 dia nanaiky izany ny COI "Komity olimpika iraisam-pirenena".

Lalao olimpika 2020 Nanaiky ny fanemorana ny COI

Hamaky ny tohiny...

Lalao Olimpika Tokyo 2020 Tsy handefa atleta i Canada

24/03/2020

Tsy handefa atleta handray anjara amin'ny lalao olimpika hatao any Tokyo Japon amin'ity taona 2020 ity ny firenena Kanadiana araka ny fanambarana nataon'ny COC "Comité Olympique Canadien" sy ny CPC

Lalao Olimpika Tokyo 2020 Tsy handefa atleta i Canada

Hamaky ny tohiny...

Orange Pro-League andro faha-16 50 tapitrisa ar no lanin’ny CFEM

23/03/2020

Betsaka ireo ekipa efa tonga tany amin’ny toerana saika hiatrehany ny andro faha-16 amin’ny fifaninanana baolina kitra “Orange Pro-League Malagasy”

Orange Pro-League andro faha-16 50 tapitrisa ar no lanin’ny CFEM

Hamaky ny tohiny...

Razanatovo Lucien René Olon-kendry, manaja fepetra ny mpankafy rugby

23/03/2020

Olon-kendry mahay manaraka fepetra takiana aminy ny mpankafy ny lalao rugby Malagasy, hoy ny “Directeur de competition” ao amin’ny Rugby

Razanatovo Lucien René Olon-kendry, manaja fepetra ny mpankafy rugby

Hamaky ny tohiny...

Atletisma tany Tsiroanomandidy Efa vonombonona ny rehetra saika handray anjara

23/03/2020

Efa vonombonona nanoloarana ny lapan’ny tanànan’i Tsiroanomandidy avokoa, nanomboka tamin’ny 6 ora maraina tamin’ny sabotsy 21 martsa 2020 lasa teo,

Atletisma tany Tsiroanomandidy Efa vonombonona ny rehetra saika handray anjara

Hamaky ny tohiny...

Moraingy nofoanana tao Toamasina “Aleo misoroka, toy izay mitsabo”

23/03/2020

Nofoanana avokoa tahaka ny tany amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy ireo hetsika famoriam-bahoka saika notanterahina teto an-tananan’i Toamasina

Moraingy nofoanana tao Toamasina “Aleo misoroka, toy izay mitsabo”

Hamaky ny tohiny...

Cristiano Ronaldo « CR7 » Mirotsaka miady amin’ny fihanaky ny coronavirus

23/03/2020

Na dia tsy nanova ny hoteliny ho hopitaly handraisana an’ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus toa an-dry Gary Neville sy Ryan Giggs aza ilay kintan’ny kitra Paortigey,

Cristiano Ronaldo « CR7 » Mirotsaka miady amin’ny fihanaky ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...


Sport

Barea any Egypte Mitantara ny zava-nisy natrehany ny mpanao gazety Malagasy

13/07/2019

Maromaro ihany ny zava-nisy natrehan’ireo nanatri-maso ny fandraisan’anjara voalohany nataon’ny Barean’i Madagasikara amin’ny lalao CAN “Coupe d’Afrique des Nation” any Egypte

tamin’ity taona 2019 ity.Hosinganintsika amin’izany ny nambaran’ny mpanao gazety mirahalahy efa nanotrona ny Barea tany Egypte hatramin’ny niandohan’ny CAN 2019 ka hatramin’ny lalao ampahavalon-dalana.

Daniel Andriamaro (RNM) :

Anisan’ny fototry ny disadisa teo amin’ny mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara  sy ny mpitantana ny baolina kitra Malagasy ny resaka “prime de qualification” izay nataon’ny mpitantana teo aloha tsinontsinona ny fandoavana azy tamin’ireto mpilalao ireto. Nandanian-dRtoa Atallah Beatrice, filohan’ny “Comité de Normalisation FMF”fotoana mihitsy tany Alexandrie any Egypte  ny fanazavana  an’ity resaka ity tamin’ireo  mpilalao. Nahatratra adiny 4 ny fitondrana fanazavana ny mahakasika an’io resaka “prime” io  tamin’ny talata 02 jolay teo ka nahafantarana fa efa naloan’ny CN ny 107 tapitrisa euros “50 %”-n’ny “prime” niaraka tamin’ireo fanampiana nomen’ireo mpanohana maro samihafa. Vita tamin’io andro io ihany koa ny fanaovan-tsoniam-pifanarahana ny handoavana amin’ny Barea ny “prime de performance” arakaraka ny fiakaran’izy ireo amin’ny dingana isan-tsokajiny amin’ity CAN 2019 ity ka arakaraka ny hanomezan’ny CAF azy no tonga dia handoavan’ny CN an’izany. Afaka nilalao tamim-pilaminana sy tamin’ny fo tony tamin’izay nanomboka teo ireo mpilalaon’ny Barea ary samy namoaka ny heriny avokoa. Tena herin’ny mpilalao Malagasy ka nahazoany ny vokatra tsara hatreto ny fiaraha-mientana sy ny fanaovana “Jeux Collectif

 

Daniel Andriamaro

 

Randriamamonjisoa Louis de Gonzague (Inona ny vaovao)

« Mbola niatrika am-pitoniana tsara ny lalao voalohany natrehany tamin’ny fifaninanana CAN ny Barean’i Madagasikara raha nihaona tamin’ny Syly avy any Guineana tamin’ny 22 jona 2019 lasa teo ka nahita ady sahala 2-2. Nametraka « pression » lehibe ho an-dry zareo kosa ny fihaonana tamin’i Burundi teo amin’ny andro faha-2 natrehany satria  tena « match decisif » ho azy ireo iny lalao iny fa raha tsy naharesy teo dia voatery tsy maintsy nikarakoka fandresena tamin’ny lalaom-bondrona farany vao mety ho tafita amin’ny dingana manaraka. Iny fihaonana tamin’ny Burundi iny no mafy indrindra hatreto ho an’ny Barea satria tao anatin’ny hafanana be andro atoandro koa no nanatanterahana azy. Nambaran’i Abel Anicet fa fanamby tsy misy kajikajy no nentin-dry zareo Barea niatrika an’ireo lalao natrehany ka ny fandresena hatrany no ao an-doha, tsy natahotra n’iza n’iza  satria efa tsy nanana « stress » intsony ».

 

 

 

Ntsoavina Evariste

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana