Dans la mme rubrique

Ramboasalama Emilien “Mivadika amin`ny teniny ny filoham-pirenena”

22/08/2019

Ny fisian`ny lalana tsara lamina dia antoka mampitony ny sain`ny Malagasy ary mitombin-tsaina izy ireo manao ny asany.

Ramboasalama Emilien “Mivadika amin`ny teniny ny filoham-pirenena”

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany “Tany tan-dalàna eto ka aoka hifanaja”

22/08/2019

“Mahavariana raha nanolotra lehiben`ny mpanohitra ny vondrona parlementera Tiako I Madagasikara”, hoy ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa omaly tetsy amin`ny Antenimieram-pirenena.

Minisitry ny atitany “Tany tan-dalàna eto ka aoka hifanaja”

Hamaky ny tohiny...

Kandida ho ben’ny tanàna Tsy maintsy nahaloa hetra ara-dalàna

22/08/2019

Voafaritra ao anatin’ny didim-panjakana laharana 2019-1541 tamin’ny 14 aogositra lasa mikasika ny fepetra mila fenoin’ireo kandida ny fanamarina fa nandoa hetra ara-dalàna.

Kandida ho ben’ny tanàna Tsy maintsy nahaloa hetra ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Depiote TIM “Tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy izahay”

22/08/2019

Taorian’ny fivoriana niarahanay tamin’ny Birao politikan’ny TIM, dia nanapa-kevitra izahay Vondrona Parlemantera TIM,

Depiote TIM “Tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy izahay”

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

22/08/2019

Lahadinika tamin’ny fivoriambe teny amin’ny antenimieram-pirenena omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana, izay tsy natrehin’ireo depiote mpanohitra dia ny TIM.

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

Hamaky ny tohiny...

Masy Goulamaly “Ilaina ny antoko mpanohitra”

22/08/2019

Raha te hiaina ny demokrasia isika eto Madagasikara dia tokony hisy ny mpanohitra ao amin`ny antenimieram-pirenena. Nitondra ny heviny i Masy Goulamaly,

Masy Goulamaly “Ilaina ny antoko mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Havitrika sa mbola halaina ihany ny mpifidy ?

22/08/2019

Raikitra ihany ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny fifidianana mpanolotsaina amin’ity taona ity taorian`ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana.

Fifidianana ben’ny tanàna Havitrika sa mbola halaina ihany ny mpifidy ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Diaspora Malagasy mifidy Azo atao tsara saingy…

15/07/2019

Fanambarana azo atao hoe manan-tantara amin’ny lafiny fifidianana mahakasika ny fametrahana ny fahafahan’ny Malagasy rehetra mifidy, indrindra ireo mila ravinahitra any ivelany (Diaspora).

 

 

 Manamarika izany fa manana zo ny Malagasy hipetraka ivelan’ny firenena  ary afaka manana ny fijereny amin’ny mpitondra sy rafitra hitantanana an’i Madagasikara. Firenena tena misy Malagasy betsaka indrindra dia i Frantsa. Azo atao tsara ny manatanteraka fifidianana saingy tsy maintsy apetraka ny fanovana ny lalàm-pifidianana, hametrahana ny pitsopitsony ilazana fa afaka mifidy ireo Malagasy rehetra feno taona ary voakasiky  ny fifidianana. Ankoatra  ny lisi-pifidianana nasionaly dia misy koa apetraka eo anivon’ny Masoivoho sy kaonsilà amin’ireny firenena ireny. Olana mipetraka anefa ireo Malagasy izay tonga taorian’ny fanoratana ny lisi-pifidianana sy ireo izay monina amina firenenaa mbola tsy hananan’i Madagasikara masoivoho. Ny masoivoho Malagasy any Moscou (Rosia) izao no miahy an’i Eoropa Atsinanana manontolo ka sarotra ny hanaovana fifidianana. Toy izany koa ny any Azia, izay tena midadasika kanefa ao Sina no misy ny masoivoho. Hanana solombavambahoaka ihany koa ve ny Diaspora ? Misy izany amin’ny firenena mandroso fa matetika ny loholona no misolotena ny olona ivelan’ny firenena misy azy. Raha manaraka ny toetrandro isika ka tsy eo amin’ny lalàna ihany no hanaovana azy, indrindra eo amin’ny fampiharana ny lalàna dia mila atao satria solontenan’ny Malagasy any ivelany izy ireo. Raha ny tombana aloha dia moramora kokoa ny misoroka izany satria vitsy ny isan’izy ireo. Ny biraom-pifidianana rahateo dia eo anivon’ny masoivoho ka moramora ny manisa azy ireo satria mety an-jatony, an’arivony.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana