Dans la mme rubrique

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko

16/09/2019

Nahazo vahana indray tato ho ato ny fikasana hanondrana ny harena sarobidin’i Madagasikara, araka ny tatitry ny fadin-tseranana Malagasy. Anisany ny saika amoahana safira teny Ivato tamin’ny alatsinainy lasa teo izay nataona vehivavy Indiana 2.

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko

Hamaky ny tohiny...

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

10/09/2019

Hisy ny fiaraha-miasa lehibe eo amin’ny Havila School etsy Mamory Ivato sy ny Business & Hotel Management School na BHMS avy any Soisa, araka ny fampahafantarana omaly tetsy amin’ny Hôtel Pietra Analakely.

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

Hamaky ny tohiny...

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

06/09/2019

Ho fampivoarana sy ho fampiroboroboana ny fiofanana arakasa dia tanora miisa 25 no halefan’ny orinasal Base Toliara handranto fianarana any Kenya.

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

05/09/2019

Tsy azo ihodivirana intsony ny tokony hifehezana ny teny Anglisy eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao mantsy dia saika mitaky ny fahaizana io teny vahiny io avokoa ireo orinasa maro.

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

Hamaky ny tohiny...

Faritra Anosy Mila ezaka be amin’ny fambolen-kazo

05/09/2019

Noraketina tanatin’ny boky mihitsy ny antontan-kevitra rehetra voaray izay avadika fandaharan’asa amin’ny fambolen-kazo ho an’ny faritra Anosy.

Dossier

Fampananana asa ny tanora Maro ny ezaka mila iantsorohana

16/07/2019

Aty amin’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara dia ahitana tanora maro marefo amin’ny sehatra fampianarana sy ny fampananana asa.

 Tsy maintsy miainga amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana Malagasy ny ezaka ho fanomezana asa ny tanora. Tokony ho maro, araka izany, ireo fikambanana mpanao asa soa ho an’ireo zaza sahirana amin’ny lafiny fampianarana eto amin’ny firenena ary hitohy hatramin’ny fampidirana azy ireny mihitsy amin’ny tontolon’ny asa. Mila tezaina sy volavolaina dieny mbola eny amin’ny sehatra fanabeazana ihany koa anefa ny tanora ka tokony ho tsapany sahady fa hahavelon-tena azy io fianarana rantoviny io rahatrizay. Matetika mantsy ampirisihina fotsiny ny tanora hianatra mafy hahavita ny fianarany fa tsy ampy mihitsy ny fanentanana azy hahay hampidi-bola na hanao fandraharahana. Ilaina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny ray aman-dreny, ny mpanabe ary ny fitondram-panjakana hanova tanteraka ny politikam-pampianarana eto Madagasikara mba tsy ho fahazarana be fahatany fotsiny.  Tombony ihany koa ny fanofanana arak’asa izay mila ampiroboroboana satria tsy ampy mihitsy izany eto amin’ny firenena. Rehefa mandeha araka ny tokony ho izy ny sehatra fampianarana sy ny fampananana asa ny tanora izay mifamatotra dia ho mora ho azy amin’i Madagasikara ny mandroso.

Tsirinasolo

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana