Dans la męme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Andravoahangy Zaza iray matin’ny fahatairana sy ny rano mangotraka

16/07/2019

Maty vokatry ny fahatairana ny zazavavikely sahabo iray taona mahery. Nandeha nijery fitsenana ny ekipam-pirenena Barea ireo ray aman-dreniny, ny sabotsy tolakandro teo.

  

 

 

Najanona tamin’ny mpanampy tao an-tranony, teny amin’ny faritra Andravoahangy ilay zaza. Nampangotraka rano ilay nanankinana ilay ankizy kely. Sendra voasinton’ilay zaza ny vilany feno rano mangotraka ka may tamin’izay ny tanan’ilay zaza nihazo ny sandrikeliny. Niantso sy nampilaza ireo ray aman-dreniny avy hatrany ilay mpanampy. Noho ny fifanosehana sy ny hamaroan’ny vahoaka dia taraiky ihany vao tonga ireo ray aman-dreniny. Vao nigadona tao an-trano izy ireo dia noesorina ilay akanjon’ilay zaza.

Nihoraka mafy

Niendaka avy hatrany ireo hoditra mbola manify sy marefo tamin’ny tanany izay nanaraka ny akanjony. Nahita iny fiendahana iny  ilay mpanampy dia nikiakiaka ka taitra tamin’ilay feo mafy sy ny ratra nahazo azy ilay zazakely ka nijanona tampoka ny fony. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana akaiky fa tsy avotra intsony ilay zazavavikely. Marihina fa tsy ilay main’ny rano mangotraka no nahatonga ilay zaza namoy ny ainy fa noho ilay fahatairana nahita ilay hoditra niendaka. Heverina mantsy fa efa nisy fotoana ela ihany nahamay ilay ankizy kely mandra-pahatonga ireo ray aman-dreniny hamonjy ny menaky ny ainy.

Nitolo-tena

Vao nahita ilay zaza namoy ny ainy ilay mpanampy dia nitsoaka. Nifampitadiavana io mpanamy io ary ny alahady maraina vao hita fa lasa nitolo-tena tany amin’ny mpitandro filaminana izy, raha ny filazan’ny manodidina. Mila andraisana fepetra hentitra ny fametrahana ny karazana rano mafana toy itony fa efa maro no niharan-doza vokatry ny tsy fahalalan’ny zaza ny tranga toy izao.

Haja Nirina

Zaza iray main’ny rano mangotraka no maty tety Andravoahangy ny sabotsy tolakandro teo (Sary fanehoana)

 

 

Andravoahangy

Zaza iray  matin’ny fahatairana sy ny rano mangotraka

 

Maty vokatry ny fahatairana ny zazavavikely sahabo iray taona mahery. Nandeha nijery fitsenana ny ekipam-pirenena Barea ireo ray aman-dreniny, ny sabotsy tolakandro teo. Najanona tamin’ny mpanampy tao an-tranony, teny amin’ny faritra Andravoahangy ilay zaza. Nampangotraka rano ilay nanankinana ilay ankizy kely. Sendra voasinton’ilay zaza ny vilany feno rano mangotraka ka may tamin’izay ny tanan’ilay zaza nihazo ny sandrikeliny. Niantso sy nampilaza ireo ray aman-dreniny avy hatrany ilay mpanampy. Noho ny fifanosehana sy ny hamaroan’ny vahoaka dia taraiky ihany vao tonga ireo ray aman-dreniny. Vao nigadona tao an-trano izy ireo dia noesorina ilay akanjon’ilay zaza.

Nihoraka mafy

Niendaka avy hatrany ireo hoditra mbola manify sy marefo tamin’ny tanany izay nanaraka ny akanjony. Nahita iny fiendahana iny  ilay mpanampy dia nikiakiaka ka taitra tamin’ilay feo mafy sy ny ratra nahazo azy ilay zazakely ka nijanona tampoka ny fony. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana akaiky fa tsy avotra intsony ilay zazavavikely. Marihina fa tsy ilay main’ny rano mangotraka no nahatonga ilay zaza namoy ny ainy fa noho ilay fahatairana nahita ilay hoditra niendaka. Heverina mantsy fa efa nisy fotoana ela ihany nahamay ilay ankizy kely mandra-pahatonga ireo ray aman-dreniny hamonjy ny menaky ny ainy.

Nitolo-tena

Vao nahita ilay zaza namoy ny ainy ilay mpanampy dia nitsoaka. Nifampitadiavana io mpanamy io ary ny alahady maraina vao hita fa lasa nitolo-tena tany amin’ny mpitandro filaminana izy, raha ny filazan’ny manodidina. Mila andraisana fepetra hentitra ny fametrahana ny karazana rano mafana toy itony fa efa maro no niharan-doza vokatry ny tsy fahalalan’ny zaza ny tranga toy izao.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana