Dans la mme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tsy fandriampahalemana Nisesy ny asan-dahalo nandritra ny CAN 2019

16/07/2019

Saron’ny fitsenana sy ny fety makotroka noho ny fandraisana anjaran’ny ekipam-pirenena Barea tamin’ny CAN 2019 ny fiainam-pirenena, tahaka ny lafiny tsy fandriampahalemana.

 

 

 

 Nahazo vahana tato ho ato ny halatra omby, indrindra tamin’ireo faritra lavitra ny renivohitra. Nitrangana fanafihan-dahalo tao Ambohitrolomahitsy, Distrikan’i Manjakandriana ny alin’ny 12 nifoha 13 Jolay teo, araka ny fampitam-baovaon’ny zandariamariam-pirenena eo Ankadilalana. Tsy re tsaika ireo dahalo nandroba omby roa tao an-toerana, sahabo tamin’ny 10 ora alina. Araka ny loharanom-baovao, niantsinanana ireo omby noroahin’ny jiolahy ka nanara-dia ireo fokonolona sy ny zandary fa tsy mbola nahitam-bokany.

Tamin’io alina io ihany, mbola halatra omby ihany koa no nitranga tao Tsaramiafara, kaominina ambanivohitra Ambodirina, Distrikan’Antanifotsy. Tamin’ny 1 ora maraina ny 13 jolay, omby dimy no nanjavona izay tsy nisy nahare ny namoahan’ireo jiolahy azy tao am-bala. Nianatsimo kosa indray ny dian’ny omby sy ireo malaso. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandary telo  avy ao Ambodirina raha vao nahare ny tranga ireto farany. Tamin’io alina io ihany dia avotra ny omby iray. Mbola karohina kosa ireo ambiny. Miandry fatratra ny “puce” apetraka amin’ny omby ireo mpiompy.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana