Dans la męme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fifehezana ny vory vahoaka Sahirana ny mpitandro filaminana

16/07/2019

Isaky ny misy havoriam-bahoaka, saika ahitana ratra hatrany. Tsy fahita amin’ireo firenena mandroso ny olom-pirenena entanim-po ka miafara amin’ny fahavoazana.

 

 

 Matoa nahitana faty olona amina fetim-pirenena, tany ivelany, dia vokatry ny fampihorohoroana. Ny eto Madagasikara anefa ireo olom-pirenena no mifamono mifanosika, ary tsy voafehin’ny mpiandraikitra filaminana sivily sy miaramila. Tsy ny lanonana ara-panjakana eto an-drenivohitra  irery anefa fa na ireo fampisehoana any amin’ny faritra aza dia ahitana io tranga io. Tsiahivina fa nisy ny naratra tamin’ny fitsenana Barea, ny faran’ny herinandro teo.

Nilamina amin'ny ankapobeny ny fitsenana ny Barean'i  Madagasikara.  Olona miisa telo no nentina  teny amin'ny  Hjra  noho ny ratra madinika nahazo azy ireo vokatry ny  hafanam-po sy ny fifanosehana tamin’ny fitsenana  ny ekipam-pirenena. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa  ireo olona ireo  ka efa lasa nody avokoa”, araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena.

Heverin’ny mpanara-baovao fa tsy voafehy hatrany ireo fahavoriam-bahoaka. Ankoatra ity faharatrana olona telo tamin’ny sabotsy teo ity, sarotra hadinoina ireo 17 nindaosin’ny fahafatesana sy am-polony maro naratra mafy, tamin’ny 26 jona teo. Ny mpitolona hatrany no heverina fa voafehin’ny tompon’andraikitry ny filaminana eto amin’ny Nosy. Mampiaiky ireo mpanara-baovao aza ny fanosehana ireo mpitokona, miampy ny fanapoahana etona mandrotsa-dranomaso ho an’ireo mpitaky ny fahamarinana sy fahafahana fa tsy misy ny maratra amin’izy ireny.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana