Dans la męme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana tany Betafo Nijery fotsiny ireo naratra ny mpitondra fiara maro nandalo

16/07/2019

Efa nihen-danja ny fanajana ny lalàna mahakasika ny fanavotana ireo ambavahaonan’ny fahafatesana.

 

 

Nampitaraina ireo mponina ny nahita ireo fiara nandalo nosakanana hitondra ny naratra mafy izay nahatratra 14 fa lasa nirifatra avokoa, mahakasika ny lozam-piarakodia tany amin’ny distrikan’i Betafo. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mantsy ny 12 jolay teo tao Betafo Antsirabe. Sahabo ho tamin’ny 3 ora tolakandro  latsaka, nifandona ny fiara marika « Toyota » sy « 504 peugeot » teo Antovontany, lalam-pirenena faha-34.

Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary Ankadilalana, tao amin’ny kaominina Alakamisy Anativato no nitranga ny loza. Toerana izay ivelan’ny tanàna fa somary ahitana fidinana. Samy nandeha mafy izy ireo izao nifandona izao, izay heverina fa vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily roa tonta. Samy avy any amin’ny faritra Vakinankaratra ny mpanamory. Nentina tao amin’ny hopitalibe Andranomadio ao Antsirabe avokoa ireo naratra,  ka efatra no tena nahiana ny ainy. Ny zandary misahana ny fifamoivoizana ny renivohitry ny faritra Vakinankaratra no nandray an-tanana ny raharaha.  Araka ny voalazan’ny mponina any an-toerana, raha tsy ny zandary mihitsy no nanakana ireo fiara nandalo, tsy nisy nety nitondra ireo marary niharan-doza.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana