Dans la mme rubrique

Basikety N1 A Lahy sy Vavy Tompondaka 2019 ny Gnbc Vaknà sy Sbbc Boeny

16/09/2019

Ny ekipa lehilahin’ny Gnbc vaknà nandresy ny Cospn Analamanga 67-65 teo amin’ny famaranana sy ny ekipa vehivan’ny Sbbc Boeny nandresy ny Mb2All A/manga 53-52 no

Basikety N1 A Lahy sy Vavy Tompondaka 2019 ny Gnbc Vaknà sy Sbbc Boeny

Hamaky ny tohiny...

Rallye « Tour de Tanà 2019 » Norombahin’i Fred sy Andry Tahina

16/09/2019

Norombahin’i Ferd sy Andry Tahina nitondra Subaru Impreza N4 n° 12 ny fifaninanana rallye « Tour de Tanà »

Rallye « Tour de Tanà 2019 » Norombahin’i Fred sy Andry Tahina

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra Afrikanina Fosa Juniors 0 -0 Tp Mazembe, Ts Galaxy Fc 1- 0 CNaPS Sport

16/09/2019

Voatazon’ny ekipan’ny Tp Mazembe avy any Rdc Congo ady sahala 0-0, tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga omaly alahady 14

Baolina kitra Afrikanina Fosa Juniors 0 -0 Tp Mazembe, Ts Galaxy Fc 1- 0 CNaPS Sport

Hamaky ny tohiny...

Mpilalaon’i Barea ao Azia Mamiratra sy misy antenaina

16/09/2019

Miisa 2 sahady ankehitriny tamin’ireo lalao miisa 3 efa nataony ao anatin’ny tompondakan’i Arabia saodita eo amin’ny taranja baolina kitra, divizionina voalohany, ny baolina matin’ilay mpanafiky ny Barea, Carolus Andrea, miaraka amin’ny ekipany El Adhal.

Mpilalaon’i Barea ao Azia Mamiratra sy misy antenaina

Hamaky ny tohiny...

Rugby Tsinjakabe III Feno hipoka ny kianjaben’i Mahamasina

16/09/2019

Tratra ny tanjona ary fahombiazana teo amin’ny lafiny rehetra no azon’ny orinasa SPC “Sports et Cultures” tarihan-dRakotomanalina (Vévé) tamin’ny fikarakarana ny hetsika Rugby Tsinjakabe III

Rugby Tsinjakabe III Feno hipoka ny kianjaben’i Mahamasina

Hamaky ny tohiny...

Basikety Tompondaka eran-tany sy N1 A Malagasy Samy hiatrika dingana goavana avokoa anio zoma 13 septambra

13/09/2019

Hiatrika ny dingan’ny 1/4-dalana ny fiadiana ny ho tompodakan’i Madagasikara 2019 taranja basikety N1 A lahy sy vavy anio zoma 13 septambra 2019,

Basikety Tompondaka eran-tany sy N1 A Malagasy Samy hiatrika dingana goavana avokoa anio zoma 13 septambra

Hamaky ny tohiny...

Rallye Tour de Tanà andiany faha-19 Mahatratra 30 ireo ekipazy handray anjara

12/09/2019

Mahatratra 30 ireo ekipazy handray anjara amin’ny fifaninanana rallye « Tour de Tanà » karakarain’ny klioba Asa Tanà hotontosaina eto

Rallye Tour de Tanà andiany faha-19 Mahatratra 30 ireo ekipazy handray anjara

Hamaky ny tohiny...


Sport

Ekipan’ny Barea Nahazo tambin-karama 905 tapitrisa Ariary

16/07/2019

Notoloran’ny fitondram-panjakana Malagasy ny mariboninahitra « Chevalier de l’Ordre National », teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly alatsinainy 15 jolay 2019, ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara avy niatrika ny CAN 2019 niaraka tamin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis.

 

 

 Ny filoham-pirenena nivantana no nanolotra an’izany tamin’ny fomba ofisialy sady nanome ihany koa ny tambin-karama mitentina 250 000 dolara na 905 250 000 mahery kely eo satria 3621 ariary izao ny 1 dolara,  ho an’ity ekipam-pirenena Malagasy ity. Namerina ny fankasitrahany an’ireto mpilalao ireto izy   tamin’ny nitondran’izy ireo avo ny fanevan’i Madagasikara sy ny nameloman’izy ireo indray ny hambom-pom-pirenena ka nampiray ny vahoaka Malagasy iray manontolo. Marihina fa efa nisy lasa nody any amin’ny toerana hilalaovany baolina, omaly hariva ihany, ny sasantsasany tamin’ireo mpilalaon’ny Barea tonga teto an-tanindrazana ireo. Ny hafa kosa dia miankina amin’ny fifanarahany amin’ny ekipa hilalaovany no hiverenany any aminy ka misy ireo manararaotra miala sasatra kely aty amin’ny fianakaviany aty Madagasikara aloha mandra-piantson’ny ekipany azy.

 

1,7 miliara ariary

Soa fianatra ! Efa manodidina ny 1, 7 miliara ariary eo izany no vola azon’ny Barea mialoha, nandritra ary taorian’ny CAN…Azo antoka fa hampihetsika ny hambom-pon’ireo atleta Malagasy amin’ny taranja isan-karazany izany ary hahatonga ny mpitondra fanjakana hametraka politika mazava tsara amin’izay ho fampiroboroboana ny fanatanjahantena Malagasy. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena rahateo ny fananganana akademian’ny fanatanjahantena.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana