Dans la mme rubrique

Fiadidiana ny Repoblika Miha halan’ny olona ny talen’ny serasera

20/11/2019

Toa tena miha halan'ny olona ny Talen'ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga. Masiaka firesaka any anaty facebook. Indraindray mifamaly aman'olona mihitsy. Efa toetra ve sa izay mihitsy ilay endrika serasera atao ?

Fiadidiana ny Repoblika Miha halan’ny olona ny talen’ny serasera

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Hain’ny frantsay ny mody mamerina ny Iles Eparses »

20/11/2019

Tsy mieritreritra ny fitondrana ankehitriny ho maherifon’ny firenena ny antoko Teza, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa,

Antoko Teza « Hain’ny frantsay ny mody mamerina ny Iles Eparses »

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra Tsy dia mampiraika ny Malagasy intsony

20/11/2019

Tsy dia nalaza ny fampielezan-kevitra. Mitabataba ny mpanao propagandy mandalo kanefa mipitrapitra fotsiny ny olona.

Fampielezan-kevitra Tsy dia mampiraika ny Malagasy intsony

Hamaky ny tohiny...

Firenena Tatsinanana Mila mazava tsara ny fiaraha-miasa

20/11/2019

Manamafy ny fiaraha-miasa amin’i Sina sy Rosia i Madagasikara. Sina dia efa ela no nisandrahaka maneran-tany, indrindra taty Afrika.

Firenena Tatsinanana Mila mazava tsara ny fiaraha-miasa

Hamaky ny tohiny...

Hafahafa ny resaka “Iles Eparses” Niala an-daharana ny Pr Raymond Ranjeva

20/11/2019

Tsy hita tao anatin’ny sary iombonana (photo de famille) taorian’ilay dinika nifanaovana teny Andafiavaratra momba ny raharaha Nosy Malagasy nobodoin’ny Frantsay ny Profesora Ranjeva Raymond,

Hafahafa ny resaka “Iles Eparses” Niala an-daharana ny Pr Raymond Ranjeva

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson “Alaivo aloha ny hevitr’ireo filoha teo aloha…”

20/11/2019

Firaisankina izao no ilaina, hoy ny filohan'ny Repoblilka. Tsapany izany fa tsy fananany irery akory i Madagasikara, hoy Atoa Constant Raveloson.

Constant Raveloson “Alaivo aloha ny hevitr’ireo filoha teo aloha…”

Hamaky ny tohiny...

Radanoara Julien “Mila mitokona manoloana ny masoivoho Frantsay…”

20/11/2019

Vita ny fihaonana voalohany teo amin’ny vaomiera roa tonta misahana ny famerenana ireo nosy « Eparses ».

Radanoara Julien “Mila mitokona manoloana ny masoivoho Frantsay…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra Mbola mifanenjana ny TIM sy ny fitondrana…

17/07/2019

Ny lalàna misy momba ny satan’ny mpanohitra sy Lehiben’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimiera dia tsy mbola misy didy fampiharana, ka tompon’andraikitra tanteraka ny governemanta amin’ny famoahana an’io.

 

 

Ny tsy famoahana izany, dia azo atao hoe tsy fanarahana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna misy, hoy ny Solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Ny minisitry ny atitany Atoa Razafimahefa Tianarivelo anefa nilaza teny Tsimbazaza omaly, fa raha  tsy mifanaraka ny mpanohitra dia mifidy izy ireo, kanefa tsy tokony hohadinoina hoe nisy ny fomba fijery na ny “Avis n°004-2014 sy ny “Avis n°001-2017”, izay navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nilaza mazava fa raha ny didy amam-pitsipika sy ny lalàna misy amin’izao fotoana izao (tamin’izany), ary mbola mitombina mandrak’androany, dia  tsy ahafahana aloha manendry izany filohan’ny mpanohitra izany ao anatin’ny rafi-panjakana. Malaina sy mitady hirika hisakanana ny mpanohitra fanomezana toerana ho an’ny mpanohitra eny amin’ny antenimiera ny fitondrana. Mba hialana amin’ny fahabangana dia tokony hampiharina avy hatrany ny lalàna satria efa nankatoavina (promulgué), ka ny pitsopitsony no andrasan’io didy fampiharana io, fa aminay dia azo ampiharina ny lalàna, hoy kosa ny valin-kafatry ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Nohazavainy fa tsy voatery ho parlemantera ny Lehiben’ny mpanohitra. Raha toa ka tsy mifanaraka daholo ireo antoko nanao fanambarana ampahibemaso sy ambara ara-dalàna fa mpanohitra, dia ny lehiben’ny antoko na ny Fikambanana antoko politika manana vato betsaka indrindra tamin’ny fifidianana depiote teo no manendry na tompon’ny toerana, hoy izy. Nambarany fa fomba fijery na “Avis” ny an’ny HCC, ary olona mitondra amin’izao no nanohitra an’Atoa Hery Rajaonarimampianina, ka rehefa tsy nety ny nataon’izy ireo tamin’izany, dia anjaran’ny ankehitriny no mampihatra ny didy aman-dalàna mba hanajana ny lalàna velona sy ny demokrasia. Tsy ny isa no mitondra ny fanoherana, fa na roa na telo na efatra, dia afaka mitondra izay hevitry ny mpanohitra izay, raha ny nambarany. 16 izy ireo izay manana hevitra hoentina sy vahaolana. Tsy ho fanoherana bontolo handeha hidina an-dalambe sanatria ho toy ny tamin’ny 2009 hoe: manohitra dia manongam-panjakana sy maka fitondrana ankeriny amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana fa manaja lalàna, arofanina sy manitsy rehefa mivilana ny dian’ny mpitondra, hoy hatrany ny depiote Hanitra Razafimanantsoa.

Toky R

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana