Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Raharaha Maurice Tsiavonana Anaty fanadihadiana lalina sa nampanginina ?

17/07/2019

Velon’ahiahy ny mpanara-baovao, mahakasika ny nahafaty an’i Maurice Rakotomalala mpanamory ny fiaran’ilay mpanao gazety mpamakafaka ara-politika, Maurice Tsiavonana.

Ity farany izay nindaosin’ny fahafatesana ihany koa raha heverina mbola hiatrika ny fitorian’ny fianakavian’ny lasibatra tao an-tokantranony.  Misabaka eo amin’ny fampanginana tanteraka ny raharaha sy ny fiandrasana ny tohin’ny fanadihadiana ny mpandinika ny raharaham-pirenena sy ny tranga izay nahitana fahafatesana nifanesy. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra iray, nahazo fahafahana vonjimaika mantsy ireo 9 voarohirohy tamin’ilay raharahan’ny mpamily. Ny mpitandro filaminana ihany koa raha nanontaniana izay heverina fa mifameno ny famotorana amin’ny lafiny polisy sy miaramilan’ny zandary dia nilaza fa ny ankilany avy no nandray an-tanana ny raharaha mahakasika ny fanadihadiana lalina. Mitoetra ho fanontaniana tsy ahitam-baliny ireo raharaha roa ireo noho izany. 

Nifanelanelana 2 volana

 Tsiahivina hatrany fa ny alin’ny 12 hifoha 13 mey 2018, sahabo tamin’ny 1 ora maraina  no nisy nanafika ka maty voadaroky ny hazo misy fantsika tao ambany rihan’ny tranon’ilay mpilaza vaovao mpamakafaka politika ny mpamiliny, raha tany ambony rihana kosa ireo tompon-trano. Voalaza fa nisy fitaovana lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Roa volana latsaka taty aoriana, ny 2 jolay, taorian’ny fampidirana hopitaly an’i Maurice Tsiavonana dia tsy tana koa ny ainy. Miandrandra ny fampitam-baovaon’ny fitsarana fatratra tahaka ireo mpitandro filaminana ny mpanara-baovao mba hanjakan’ny fangaraharana sy fanjakana tan-dalàna izay andrin’ny demokrasia.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana