Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Omby 524 nalaina an-keriny tao Andilamena Miantso vonjy amin’ny fanjakana ireo lasibatra

17/07/2019

Omby 524 no nalaina an-keriny tany Andilamena nentina ao Mampikony, ary 196 nentina any Marovato Port Bergé ny volana jona teo.

 

Lasa lonilony eo amin’ny Faritra Sofia sy Alaotra Mangoro ny raharaha. Nambaran’ny solontenan’ireo mahatsapa ho lasibatra avy any amin’ny faritra Alaotra, fa diso ny tatitra nataon’ny zandary miisa 20 niaraka tamin’ny Besaboa avy any Sofia, nilazana fa omby tratra niaraka tamin’ny dahalo ireo fa nalaina an-keriny tany am-bala na teny am-piandrasana. Nofitahina ny ben’ny tanànan’i Maitsokely Andilamena, ka nosamborina sy nogadraina, hoy izy ireo. Milaza ho tompon’ireo omby avokoa ny olona, ary manao taratasy fa tsy tena bokin’omby. Ny omby iray, ohatra, dia misy olona 3 na 4 milaza ho tompony. Ny taona 2008 dia omby 80 no efa nalaina tao Ambatomarokoroko Kaominina Miarinarivo Andilamena. Ny taona 2010, dia omby 170 no nalaina niampy olona 4 nogadraina. Tamin’ny 2017, dia zandary 17 no niaraka tamina andian’olona naka omby 320 no nalaina tao Maroadabo, ka na nilaza aza ny zandary tao an-toerana fa ao ihany no atao ny fanamarinana, dia tsy nety ny an-daniny fa nentiny ny omby, ary 190 no sisa tafaverina. Any Mampikony na Port Bergé na Mandritsara no hitondrana ny omby. Diso fanantenana izy ireo tamin’ny tsy fahatongavan’ny praiminisitra sy ny delegasionina tarihiny ny 10 jolay teo ireo mahatsiaro tena ho lasibatra. Manantena sy mbola miantso vonjy amin’ny fitondram-panjakana hijery ifotony ny zava-misy izy ireo.

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana