Dans la męme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidĂ  ben`ny tanĂ na Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidĂ  ben`ny tanĂ na Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona Homarihina mandritra io herinandro ho avy io

18/07/2019

Hisokatra ny alatsinainy 22 jolay izao ary haharitra herinandro ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny antenimierandoholona.

  Ny lalàmpanorenan’ny Repoblika voalohany tamin’ny 29 aprily 1959 no nametra fa apetraka ny antenimiera roa tonta, dia ny antenimierandoholona sy ny antenimieram-pirenena, izay mifameno ny asany. Raha ny tantara, dia efa niova anarana im-betsaka noho ny tetezamita nifanesisesy io andrim-panjakana io dia CNPD (Conseil National Populaire du Développement), CRESS (Conseils de redressement Economique et Sociale), Conseils Supérieurs de la Transition (CST). Tsy niova mihitsy kosa ny andraikitry ny loholona tamin’ny ankapobeny fa mpanao lalàna foana, ary afaka nanolotsaina ny governemanta raha sitrany. Misolotena ihany koa ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Hisy ny fotoam-pivavahana lehibe ao amin’ny Ekar Saint Joseph Mahamasina ny 22 jolay maraina, ary fampirantiana samihafa momba ny tantaran’io andrim-panjakana io eo amin’ny « parking » ao amin’ny antenimiera ny tolakandro. Hisy ny famelabelaran-kevitra ny marainan’ny 23 jolay hataon’Atoa Rakotondrabao Andriatsihafa Dieudonné, Mpikamban’ny HCC teo aloha, mpitsara ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony, ka lohahevitra amin’izany ny hoe: « Le statut du parlement dans une démocratie moderne et efficace ». Ny harivan’io kosa dia hanao karazana hetsika na “simulation” maneho ny fomba fiasan’io andrim-panjakana io ny mpianatra avy amin’ny Fakiolite DEGS eny Ankatso, UCM, ACEEM, IEP, izay hatao ao amin’ny trano fivorian’ny loholona. Mitohy ny famelabelarana ny 24-25 jolay maraina arahina hetsika samihafa ny tolakandro. Fanomezan-dra eny amin’ny hopitaly HJRA kosa ny marainan’ny 26 jolay, arahina hazakazaka madinika miainga eny amin’ny antenimierandoholona-Kianja mitafo Mahamasina. Fampisehoana lehibe eny amin’ny Plaza Ampefiloha ny tolakandro. Ny sabotsy 27 jolay dia hanolotra fanampiana ho an’ireo sahirana ao amin’ny hopitaly Befelatanana.

Toky R

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana