Dans la mme rubrique

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

20/09/2019

Antoko nanana ny naha izy azy ny HVM saingy tsy re tsaika intsony taorian`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Politika sy fiainam-pirenena Hiverina an-tsehatra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

20/09/2019

Tonga nitsidika sy nitsirika ny toerana hanatanterahana ny tetikasa « Tanà-Masoandro »

Tetikasa Tanà-Masoandro Ho lasan’ny sinoa indray ny tsena ?

Hamaky ny tohiny...

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

20/09/2019

Afaka miverina depiote ireo nilatsaka hofidiana ho ben’ny tanàna raha tsy voafidy. Raha ny andininy ao amin`ny lalàmpanorenana mifandraika amin`ity tranga ity dia ny and.

Depiote kandidà ben`ny tanàna Afaka miverina raha tsy voafidy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

20/09/2019

Mahagaga, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, fa isaky ny misy fifidianana dia misy fanoloana sefo fokontany.

Fifidianana sefo fokontany « Atao voalohany raha sahy ny fitondrana ! »

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

20/09/2019

Manantena ben’ny tanàna mampandroso azy ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana, Alain Ratsimbazafy.

Distrikan’Atsimondrano Manantena ben’ny tanàna mampandroso

Hamaky ny tohiny...

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

20/09/2019

Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.

Plan Emergence Madagascar Ireo mpamatsy vola mahazatra ihany no hanohana azy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

18/09/2019

Ny 24 septambra ho avy izao no ho fantatra ny lisitr’ireo kandida nahafeno fepetra hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 27 novambra.

Ady amin’ny gaboraraka Tena mafy ny miandry izay ho ben’ny tanànan’Iarivo

Hamaky ny tohiny...


Politique

Lapan’ny Tsimbazaza Ho avy indray ny 4x4 ho an’ny depiote …

18/07/2019

Nahazo tehaka mirefodrefotra ny fanambarana nataon’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa ny talata hariva teo raha nilaza hoe mangataka amin’ny governemanta isika mba homena fitaovana hahafahana miasa…

 

 Ny tetibola misy ny karama sy ny tambin-karama, ny resaka fahana amin’ny finday, ny taratasy hiasana isan’andro efa milamina raha ny eny Tsimbazaza. Fa ny tsy nisy tao anatin’ny 5 taona dia ny fiara tsy mataho-dalana satria tsy nety nanome an’io ny fitondrana teo aloha. Efa nisy ihany ny adivarotra saingy tsy nisy ny fiara nomena ny solombavambahoaka. Ny fitondrana ankehitriny efa nampiseho fa kinga amin’ny fizarana fitaovana, efa fiara 130 mahery no azon’ny polisy, zandary, miaramila, nisy hatramin’ny elikoptera sy fiaramanidina koa aza naseho vahoaka tamin’ny 26 jona… 151 isa ny depiote, ary matoa sahy niteny i Christine Razanamahasoa izay olon’ny IRD dia ao raha. Manodidina ny 60 000Euros (240 000 000Ar) eo ho eo ny fiara tsy mataho-dalana marika Toyota V8 iray, ka 36,3 miliara ariary eo izany no mety vidin’izany ho an’ny depiote rehetra. Tsy tongatonga ho azy ilay isam-bato 100% tamin’ny fifidianana ny talata lasa teo teny Tsimbazaza, miray feo ny depiote amin’izao fanombohan’ny fivoriana izao satria hifandamina amin’ny hitantanana ny antenimieram-pirenena ka tena tsy hisy ny ho diso anjara araka ny tenin-dRazanamahasoa Christine. Azo antoka fa hiray feo ihany koa izy ireo momba ny tombontsoa manokana sy ny fitaovana ambara fa hoenti-miasa. Andrasana kosa anefa ny resaka mangarahara. Homem-potsiny ve ny fiara 4x4 raha ho avy eo sa misy ampaham-bola tsy maintsy efain’ny depiote ? Sa fananam-panjakana io ka ampiasaina mandritra ny fotoam-piasana fotsiny ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana