Dans la mme rubrique

Ady amin’ny areti-mifindra Nanolotra laboratoara mandehandeha ny Amerikanina

20/09/2019

Tafiditra amin'ny ady atao amin'ny areti-mifindra ny famatsian’ny fanjakana amerikanina,

Ady amin’ny areti-mifindra Nanolotra laboratoara mandehandeha ny Amerikanina

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana “Zava-doza ny fanjifana fanafody eny an’elakelan-trano”

06/09/2019

Tokony hiezaka ny mponina tsy hividy fanafody an’elakelan-trano intsony hoy ny minisitra ny fahasalamam-bahoaka, Pr Julio Rakotonirina fa hanjifa izany eny amin’ireo toerana efa voaoakana nandritra ny fanokanana ny trano vaovaon’ny OPHAM tetsy Andohatapenaka omaly.

Minisitry ny fahasalamana “Zava-doza ny fanjifana fanafody eny an’elakelan-trano”

Hamaky ny tohiny...

Aretina kitrotro Lasa olana maneran-tany

04/09/2019

Tsy ny firenena afrikana izay sokajiana mahantra tahaka an’I Madagasikara intsony ankehitriny no malaza anjakan’ny aretina kitrotro fa hatramin’ireo firenena matanjaka tahaka an’i Lafrantsa sy Etazonia dia efa tratra avokoa araka

Aretina kitrotro Lasa olana maneran-tany

Hamaky ny tohiny...

Areti-maso Katarakta no mahavoa ny 50 %-n’ny marary

12/08/2019

Saika katarakta avokoa no mahavoa ny 50 %-n’ireo olona marary maso eto amintsika, indrindra ho an’ireo efa nahazoazo taona.

Areti-maso Katarakta no mahavoa ny 50 %-n’ny marary

Hamaky ny tohiny...

Vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra Hotanterahina manomboka ny 12 aogositra ny andiany faha-15

09/08/2019

Na dia efa azon’i Madagasikara tamin’ny volana jona taona 2018 aza ny sata “Madagasikara, firenena afaka amin’ny aretina lefakozatra” dia mbola hitohy hatrany ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ity aretina

Vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra Hotanterahina manomboka ny 12 aogositra ny andiany faha-15

Hamaky ny tohiny...

Aretina haromotana Azo sorohana tsara

17/07/2019

Haharitra 3 volana ny fanaovam-baksiny maimaimpoana ireo saka sy alika ho fiarovana amin’ny haromotana.

Aretina haromotana Azo sorohana tsara

Hamaky ny tohiny...

Olona maty tampoka Efa narary fo, hoy ny dokotera

10/07/2019

Nitondra fanazavana mikasika ireo olona maty vokatry ny fihetseham-po ny dokotera Fidy Bariniaina, omaly. Nambarany fa olona efa narary fo ireny maty tampoka ireny amin’ny ankapobeny.

Olona maty tampoka Efa narary fo, hoy ny dokotera

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Sehatry ny fahasalamana Araha-maso amin’ny fanodinkodinam-bola i Madagasikara

18/07/2019

Mampalailay fonosana ny mpamatsy vola ny fisiana kolikoly tamin’ny sehatra vaksiny izay nampisaringotra tompon’andraikitra maro tamin’ny taon-dasa.

Ohatra tamin’izany ny vata fampangatsiahana nitondrana ny vaksiny izay hafa ny vidiny an-tsoratra nambara tamin’ny mpamatsy vola. Teo ihany koa ny isana vaksiny izay sady tsy mitombina nefa dia nahazoana vola be tamin’ny fisian’ny aretina Pesta teto Madagasikara. Izany rehetra izany no antom-pisian’ny fiaraha-miasa amin’ny CCM (Country Coordinating Mechanism) eto Madagasikara, izay mitantana ny famatsiam-bola amin’ny ady amin’ny aretina SIDA, ny raboka ary ny tazomoka sy ny TI-IM (Transparency International-Initiative Madagascar). Nisy ny atrikasa notanterahina omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena teo aloha Anosy.  Ny ho fisorohana ny kolikoly sy ny hosoka mety hitranga amin’ny fitantanam-bola no votoatin’ny famelabelarana natao. Mahatratra hatrany amin’ny 76 685 000 dolara mantsy ny famatsiam-bola maimaimpoana azon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ireo aretina ireo. Araka izany dia ny CCM izay tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny vola no niantso mihitsy ny TIIM mba hisian’ny fangaraharana sy hitsirihana ny risikana kolikoly sy hosoka mety hitranga. Nampahafantarina ny mpikambana tao ireo karazana kolikoly sy hosoka mety hisy miaraka amin’ny fisorohana azo atao mialoha. Zava-dehibe ny atrikasa tahaka izao satria raha mbola misy indray ny fanodinkodinam-bola eo anivon’ny sehatra fahasalamana dia mety ho leom-boananana ny mpamatsy vola ary tsy hahazo fanampiana intsony i Madagasikara. Efa nisy ny fanodinkodinam-bola teo aloha ary rariny raha maka lesona.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana