Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanafihana , Kidnapping, fandrobana volabe Jiolahy iray voapaingotra teny Tsimbazaza

18/07/2019

Dahalo raindahiny efa kalaza tamina fandrobana lelavola mitentina 30.000.000 ariary sy fanaovana takalon’aina tany Maevatanana ary mpanakan-dalana nampitondra faisana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha-7 mihazo ny faritra atsimon’i Madagasikara no tra-tehaky ny polisy.

 

 

 Ny volana oktobra 2018 lasa teo  dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tany Maevatanana. Mpivady mpandraharaha tany an-toerana no nisy nandroba ny tranony  ka very tamin’izany ny vola telopolo tapitrisa ariary. Tsy niandry ela ny polisy tany an-toerana  fa nanao ny fikarohana ka ny marainan’io dia tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika ireo mpandraharaha. Nitohy ny  fanadihadiana ary andro vitsivitsy taorian’io dia tra-tehaka ihany koa ny efatra tamin’izy ireo izay nahatrarana basy miisa 4. Tsy nijanona hatreo ny fanenjehana ireo jiolahy fa nitohy ny famotorana ary fantatra fa mbola misy iray ny jiolahy tompon’ny ati-doha nanao io asa ratsy io saingy efa nitsoaka tao an-tanàna.

Voapaingotra teo Tsimbazaza

Nokarohin’ny Polisy ity farany ka tra-tehaka teny Tsimbazaza ny 12 jolay lasa teo. Tsy nanam-po ary tsy nahetsika izy satria voahodidin’ny polisy nanao fanamiana sivily ka noraisim-potsiny. Fantatra ary fa ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireto jiolahy dia mpanakan-dalana amin’iny lalam-pirenena faha-7  iny izy ireo ary voarohirohy amin’ny trangana fakana an-keriny niseho tany Maevatanana. Miandrandra ny famoahan’ny Fitsarana ny tohin’ny raharaha goavana toy izao hatrany ny mpanara-baovao mba hanjakan’ny fangaraharana sy hiarovana ny fanjakana tan-dalàna tahaka ny famoahan’ny mpitandro filaminana vaovao ara-potoana toy izao.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana