Dans la męme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Françis , Zazalahy 12 taona Very 4 andro tany Toamasina fa hita teto Antananarivo

18/07/2019

Ny tambajotram-piarahamonina no nampifandray ilay nampiantrano ilay zazalahy 12 taona sy ny ray amam-dreniny.

 

 Zazalahy kely avy any Toamasina i Françis no very teto an-drenivohitra efa hatramin’ny alahady. Omaly maraina vao tafakatra teto Antananarivo ny ray aman-dreniny haka azy. Nilaza ilay zaza tamin’ireo sendra azy fa nentin’ny dadatoany mba hipetraka aty aminy eto Antananarivo. Mody nirahiny nividy sigara anefa ilay zaza, ny alahady teo, avy eo nanjavona ilay olondehibe narahiny. Raha ny filazan’ny vehivavy iray eny Andohatapenaka izay nanaiky hiantranoany afak’omaly hariva : “Tany amin’ireo izay antra azy io zazalahy io no natory ny alahady hariva, torak’izany koa ny alatsinainy. Nisy mpivarotra vy avy eny Itaosy niangavy ahy mba hipetrahan’ilay zaza, noho izaho efa nipetraka tany Toamasina no anton’ny fitalahoana”, hoy i Pelandroy, ilay samaritanina tsara fanahy nanaiky hatorian’ilay zaza. Napariakany tamin’ny alalan’ny facebook avy hatrany ny mombamomba ilay zaza sy ny laharam-pindainy ka teo no nampifandraisin’ireo mpiara-monina tamin’ny ray aman-dreniny ny talata alina teo.

Mpangala-jaza fa tsy dadatoany

Raha ny filazan’ny mponin’i Toamasina, efa sasatra ny nikaroka ity menaky ny ainy ity manerana ny Renivohitry ny Faritra Atsinanana ireo fianakaviany avy any Ankirihiry, ka nahatsiaro filaminan-tsaina vao naheno fa velon’aina soamantsara ilay zaza. Nifampiantso avy hatrany tamin’ilay tovovavy nampiely ny vaovao ireo nahitan’i Francis Lesabotsy masoandro ary nandray taksibrosy avy hatrany ny talata alina tamin’ny 9 ora ireo ray aman-dreniny ho aty Iarivo.

“Akory lahaly. Tsy dadatoany izany fa olon-tsy fantatra no nitondra io zanakay io, tsy fantany akory izany. Efa hatramin’ny sabotsy teo tamin’ny 10 ora atoandro izy io no tsy hita. Mitohy ny fitarainana efa napetrakay any amin’ny manampahefana mikasika io lehilahy nangala ny zanakay io. Faly izahay mahita ny menakiniainay velona soamantsara amin’izao vao mifankahita izao”, hoy i Felix Lesabotsy, rain’i Francis sy ny zokiny vavy roa raha niresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly tamin’ny 9ora maraina raha nahita tava ny zanany.

Andrasana noho izany ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana mikasika ilay nitondra ka nanary ity zaza ity, raha ny lalàna velona mantsy tsy miandry fitoriana raha zaza tsy ampy taona no iharan’ny herisetra toy izao fa tonga dia mirotsaka an-tsehatra ny polisy misahana izany.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana