Dans la mme rubrique

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

16/09/2019

Ity fifidianana ho avy ity no hamaritra indray ny politika eto Madagasikara, hoy ny kandida ho mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo, Nantenaina Rakotonirina, raha nanontaniana mikasika ny fahitany izany fifidianana izany.

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

16/09/2019

Miisa 6 129 ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben`ny tanàna voarain`ny CENI. Nahitana kandidà avokoa ireo kaominina miisa 1695 manerana ny nosy.

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

16/09/2019

Hita taratra amin’izao filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao ny tsy fahatokisana intsony ny hisian’ny lalao madio.

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

16/09/2019

Amin ny talata 24 septambra ho avy izao ny lisitra ofisialy avy amin’ny CENI. Ny tatitra ofisialy no hahafantarana ny isan`ny kandidà narotsaky ny antoko, tsy miankina, lehilahy sy vavy, ny andraikitriny avy.

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

Hamaky ny tohiny...

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

16/09/2019

Mandeha ny kajikajy politika amin’ny resaka fifidianana ben’ny tanàna izay hatao tsy ho ela.

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

16/09/2019

Hitondra ny anjara birikiny ao amin’ny kaominina Arivonimamo, ny kandida Rarija Rajo Tsiferantsoa, izay nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana tao amin’ny OVEC tao Arivonimamo, ny zoma lasa teo

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

19/07/2019

Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana, ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy,

 

 

raha ny fanehoan-kevitra nataon’ny filohan’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean Louis. Io resaka lalàna io mantsy no tsy nety ny nandrafetana sy ny fanatanterahana azy, fa samy nanao izay tiany nitondrany azy ny mpitondra nifandimby teto. Ny fifidianana filoham-pirenena farany teo anefa dia ny frantsay no tao ambadik’ireny ary nanao izay nampandany ny filoha ankehitriny, hoy ny fanazavany. Ny filoha Rajoelina Andry dia nanamafy izany, tamin’ny fampielezan-kevitra nataony fa tsy maintsy lany ny tenany, hoy izy. Ilaina noho izany ny fanorenana ifotony, mba tsy hisian’ny olana hiverimberina eto amin’ny tany sy ny firenena intsony. Tokony hampanjakaina ihany koa ny tena demokrasia mba hisian’ny tena tan-dalàna. Manana ny maro an’isa ny Ird eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’izao, fa rehefa misy ny volavolan-dalàna  iray haroso dia iretsy voalohany no mandany azy, hany ka  tsy mipetraka ny demokrasia ao amin’io andrimpanjakana io, hoy hatrany ity mpanao politika ity. 

                                             

Sitraka r.  

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana