Dans la mme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Belo Tsiribihina Voarohirohy ho namono olona indray ny miaramila

19/07/2019

Araka ny loharanom-baovaon’ny fianakavian’ny lasibatra, izay naparitany tamin’ny tambajotran-tserasera, heveriny fa noho ny tondro molotra dia natolotra ny miaramila ny momba an’i Raly Tovony.

 

 

 “Olon-tsotra sady marina i Raly Tovony. Novonoin'ireo miaramila mpampandry tany sy ireo olona nanolotra sy nitory azy. Tamin'ny fomba feno habibiana no nahafaty azy.  Nalain'izy ireo tao an-tranony eto Belo Tsiribihina izy ny alarobia 10 jolay teo, vavolombelona amin’izany ny mponina eto an-tanàna. Tamin’ny 16 jolay  vao hita tao Ambalakida ny fatiny. Efa lanin'ny biby sy efa potika tanteraka ny razana ka tsy hita intsony ny endrika maha olona azy”, hoy ny havany, Esthy Ferco Rajahary.

Tsy nisambotra ny miaramila

Raha nanatanteraka ny famotopotorana maimaika anefa ny zandary any amin’ny borigadin’i Belo dia nilaza ireo miaramila fa tsy nisy fanamborana nataony. Ny 10 jolay no tsy hita io olona io ary ny 12 jolay vao nanatitra fitarainana ny fianakaviany nilaza fa nisy naka ny havany. Raha ny fampitam-baovao ofisialin’ny zandary, tsy misy diam-basy izay hiampangana ny mpitandro filaminana amin’ny vatan’ny maty fa novonoina tamin’ny zava-maranitra, raha ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny dokotera tompon’andraikitra.

Mbola mifamahofaho tanteraka ity raharaha ity. Eo am-piandrasana ny fitsarana azy ity nisy namono ity, hoy ny fianakaviana. Tsy misy vaovao azo ampitaina mikasika ny fanadihadiana sy ny famotorana lalina, hoy ny zandary any an-toerana. Nampanantena ity farany fa hampitaina araka ny fivoaran’ny toe-draharaha ny vaovao.

Haja Nirina

Ontsa tanteraka ireo fianakavian’ny maty naka ny razan’i Raly Tovony

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana