Dans la mme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fankalazana ny “Mandela Day” Ankizy sahirana sy voafonja 600 nomena fanampiana

19/07/2019

Nankalazaina omaly alakamisy 18 jolay ny « Mandela Day », ahatsiarovana ny daty nahaterahan’i Nelson Mandela niady

 

tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy nikendry fampiombonana sy fandriampahalemana ary fifanampiana tatsy Afrika Atsimo sy nielipantrana teto ambonin’ny tany. Nentin’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo Tarihin-dRtoa Maud Vuyelwa Dlomo eto Madagasikara nanamarihana izany ny fizarana vatomamy sy fanampiana ary kojakoja toy ny kitapo sy fitafy ilain’ireo ankizy miisa 30 tezaina etsy amin’ny toby Fanambinana Nanisana. Niara-nientana tamin-dRtoa Maud Vuyelwa Dlomo ny talen’ny serasera ao amin’ny vondrona Vidy Varotra, Rtoa Rakotoson Sylvia sy  ny tale lefitry ny orinasa SBM Banque, Rtoa Rajoelisolo Haingo Tiana. Nihazo ny fonjan’Antanimora niaraka tamin’ny fikambanana tsy miankina Blessing Convenant. Nisy ny fitiliana  ireo ankizy voafonja tsy ampy taona, raha toa ka efa nisy ny fifaninanana baolina ny hariva izay natrehin’ny masoivohon’i Afrika atsimo sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Nanolotra fanomezana ho an’ireo voafonja ireo mpiara-miasa rehetra ho fiaraha-mientana tamin’ny “Mandela day”. Nizarana sakafo sy vatomamy ary ronono ireo ankizy tsy ampy taona 125 mianadahy. Notolorana fanomezana ary niampy vary sy savony kosa ireo ireo beantitra, renim-pianakaviana miisa 475. Novoizin’ny Masoivoho Afrikanina Tatsimo sy ireo delegasionina notarihiny ny hananan’ny tsirairay toe-tsaina miabo, fahatokisan-tena ary fitiavana te hivoatra, izay toe-tsaina nananan’i Nelson Mandela sy novoiziny fahavelony dia  ny fitiavana mifanampy.

Toky R sy Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana