Dans la mme rubrique

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

10/09/2019

Hisy ny fiaraha-miasa lehibe eo amin’ny Havila School etsy Mamory Ivato sy ny Business & Hotel Management School na BHMS avy any Soisa, araka ny fampahafantarana omaly tetsy amin’ny Hôtel Pietra Analakely.

Havila School sy BHMS Soisa Hisy fampiofanana any ivelany sy antoka arak’asa

Hamaky ny tohiny...

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

06/09/2019

Ho fampivoarana sy ho fampiroboroboana ny fiofanana arakasa dia tanora miisa 25 no halefan’ny orinasal Base Toliara handranto fianarana any Kenya.

Fampiofanana arakasa Tanora 25 mianadahy halefa any Kenya

Hamaky ny tohiny...

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

05/09/2019

Tsy azo ihodivirana intsony ny tokony hifehezana ny teny Anglisy eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao mantsy dia saika mitaky ny fahaizana io teny vahiny io avokoa ireo orinasa maro.

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy

Hamaky ny tohiny...

Faritra Anosy Mila ezaka be amin’ny fambolen-kazo

05/09/2019

Noraketina tanatin’ny boky mihitsy ny antontan-kevitra rehetra voaray izay avadika fandaharan’asa amin’ny fambolen-kazo ho an’ny faritra Anosy.

Fanorenana sy asa vaventy Tsy ampy ny akora fototra ny hamokarana simenitra

04/09/2019

Mbola maro ny akora fototra hafarana any ivelany amin’ny fanamboarana ny simenitra hoy ny fanambaran’ny tompon’andraikitry eo anivon’ny Holcim,Patrick Rajaonarivelo.

Fanorenana sy asa vaventy Tsy ampy ny akora fototra ny hamokarana simenitra

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Taha-bola Taratry ny tanjaky ny toekarena

22/07/2019

Samy manana ny taha-bola na ny “taux de change” mety aminy ny firenena tsirairay arakaraky ny zava-misy ao aminy. Miankina amin’ny toetoetran’ny toekarena any amin’ny firenena no hametrahana ny taha-bola mifandraika amin’izany.

 Raha ny teto Madagasikara manokana dia efa nisy 4 ny taha-bola nampiasaina. Efa nampiasa ny taha-bola tsy niovaova (change fixe) ny firenena tamin’ny taona 1960 -1973 tao anatin’ny “zone franc”. Nahatsara ny toekarena ihany tamin’izany satria raha misy hery ivelany mety manakorontana na manelingelina ny fandoavam-bola mankany ivelany dia miditra an-tsehatra ny Frantsay. Mari-toerana tsara ny toetoetry ny harifaobe (conditions macroeconomiques) tamin’izany satria 4% monja ny tahan’ny fisondrotam-bidim-piainana ary nahatratra 2,3% ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena. Niala tao amin’ny “Zone franc” i Madagasikara saingy mbola nilomano tao anatin’ny taha-bola tsy miovaova hatrany nanomboka ny taona 1973 hatramin’ny 1994. Tamin’izany no namoronana ny Banky Foiben’I Madagasikara. Nanomboka tamin’ny taona 1994 kosa anefa dia niala tamin’ny taha-bola tsy miovaova isika ary niditra tamin’ny change flexible. Teo ihany koa no teraka ny  Sehatra fividianana sy fivarotana vola vahiny (MID) ary nalalaka ny fahafahana manana kaonty amin’ny banky amin’ny vola vahiny. Hatreto dia hita ho mety amin’ny firenena ihany aloha io taha-bola io satria nahafahana nanana tahirim-bola vahiny izay hitarafana ihany koa ny tanjaky ny toekaren’ny firenena. Ny fanapahan-kevitra fametrahana ny taha-bola mihitsy, araka izany, no manome sary ny tanjaky ny toekaren’ny firenena saingy tsy io no kitihana avy hatrany raha sendra misy tsy fetezan’ny toekarena fa ny tsena hatrany no mamaritra azy.

Tsirinasolo

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana