Dans la mme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ahiana ho fandorana niniana natao Kila forehitra ny tsenan’i Bazary kely Toamasina

22/07/2019

Manahy fandorana niniana natao tamin’ilay fahamaizan’ny tsena “Esplanade” ambany ao Bazary kely ireo mpivarotra ankehitriny.

 

 

Samy milaza ho tsy nahita sy tsy mahalala ny tena niatombohan’ny afo avokoa izy ireo, fa ny afo efa nijoalajoala no  hitan’izy ireo avy hatrany ny sabotsy tokony ho tamin’ny 7ora hariva. Efa samy nahavita ny fangoronana entana avokoa ny mpivarotra, efa nisy aza ny naha-tatitra ny entany sy eo am-podiana nitondra ny entam-barony no nitranga ny afo be tao Bazary kely. Tombanana ho 95%-n’ny tsena no may kila forehitra avokoa, ireo 5% ambony kosa voatery nosimbaina sy narodana mba hiarovana ny tsy nitaran’ny afo tamin’izao fahamaizana izao, ka amina miliara ny fahavoazana. satria saika mametraka entana an-tsena avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra lamba sy kojakoja samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro ary ireo mpivarotra mpamongady. Ny an’ny mpivarotra lamba firakotra samihafa iray sendra tafaresaka, ohatra, dia 20 tapitrisa. Tao ny mpivarotra finday sy kojakoja ara-finday izay entana vao nalaina trosa hamidy, izay an-jatony tapitrisa may kila avokoa. Ny prefektiora sy ny ekipan’ny kaominina ary ny solombavambahoaka Ratsiraka Rolland Iarovagna no hita nijery sy nitafa tamin’ireo mpivarotra may fananana ireo ny sabotsy teo, niantso ireo orinasa toy ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny orinasa Ambatovy manana fiara mpamonjy voina sy haintrano nanampy ny mpamonjy voinan’ny kaominina izay tena tsy nahafehy ny firehetana noho ny herin’ny afo. Ny marainam-ben’ny alahady no voafehy ny afo. Vonona ny hiaro ny fivarotany hatramin’ny farany ireo mpivarotra noho izy ireo manahy fandoroana niniana natao satria voalazan’izy ireo fa efa ela no misy mpanam-bola mitsiriritra ny fivarotan’izy ireo.

Rakoutou

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana