Dans la mme rubrique

Tsy vonon-kiova

18/07/2020

Izahay izao no eto, hoy ilay tompon’andraiki-panjakana iray izay nialoha kelin’ny niandohan’izao fipariahana valanaretina eto Madagasikara izao. Toa

Tsy vonon-kiova

Hamaky ny tohiny...

Fahamaizana avo lenta

16/07/2020

Mety tsy tena niteraka resabe loatra na dia mampiahiahy ihany aza ny fahamaizan’ireo trano hazo nisesisesy teto an-drenivohitra.

Fahamaizana avo lenta

Hamaky ny tohiny...

Hajao ny fepetra

15/07/2020

« Sorena kely aho miresaka aminareo androany, mba tsy hitenenako hoe sorena be” Ampahan-tenin` ny Filoha Rajoelina raha nanatrika ny fanaovana fitiliana faobe ny tsimokaretina COVID-19 tany Toamasina ny 07 mey lasa teo

Hajao ny fepetra

Hamaky ny tohiny...

Ny omaly tsy miova

13/07/2020

Samy niandry izay ho valan-dresaky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny vahoaka Malagasy omaly hariva.

Ny omaly tsy miova

Hamaky ny tohiny...

Tsy toa teny, very ny fahatokisana

10/07/2020

Tena ilaina amin’ny fitondrana ny firenena, amin’ny fifampitondrana ao anaty fiarahamonina, amin’ny fitantanana orinasa,…

Tsy toa teny, very ny fahatokisana

Hamaky ny tohiny...

Mirary ny soa tokoa

09/07/2020

Mirary ny soa tokoa manoloana izao ady hatrehin’ny firenena sy izao tontolo izao izao.

Mirary ny soa tokoa

Hamaky ny tohiny...

Tsy mifidy saranga

08/07/2020

Vanim-potoana isan’ny mafy teto Madagasikara ny nisian’ny valanaretina pesta tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina. Somary nosokajiana ho aretin’ny mahantra sy ny sahirana satria noho ny loto sy ny fako rahateo no isan’ny nampirongatra azy.

Tsy mifidy saranga

Hamaky ny tohiny...


Edito

Samy manana ny manahirana azy !

23/07/2019

Nahazo filoham-pirenena vaovao isika tamin’ity taona ity, nahazo solombavambahoaka, nanana governemanta misy minisitra maro ary hitsangana tsy ho ela indray ny governemanta vaovao, hahazo ben’ny tanàna,…

 

 

 Raha ny rafitra sy ny antanan-tohatra aloha izany, dia efa manomboka milamina sy mipetraka satria manana mpitondra mahefa afaka ny hiasa sy hiady ho an’ny vahoaka. Tena mizotra mankany amin’izany ve anefa ny firenena sy ny fiainam-bahoaka ? Tena misy miady ho an’ny valalabemandry tokoa ve sa amin’ny fotoana ilana ny vatony amin’ny fifidianana ihany no alaina ny fony fa aorian’izay dia samy miady ho azy,… Mandeha sahady ny adivaroratra tombontsoa, toy ny fiara tsy mataho-dàlana. Toa mbola nofinofy ny hisian’ny fiaraha-mientana hifampitsinjo sy hiara-kandroso satria samy manana ny maha maika azy. Ny an’ny mpanao politika sy ny manampahefana mety ny hampitombo ny ambaindain’ny vola aman-karena, ny fiara hositrahany,… fa ilay vahoaka madinika mpanome fahefana kosa mijaly amin’ny tsy fisiana arina fandrehitra, delestazy sy fidangan’ny vidin-jiro, vidim-piainana midangana isan’andro,… toa efa adino, fa miandry fifidianana ho avy indray vao hipatrapatraka ny ronono an-tavy. Tena manao fampiasam-bola ny mpitondra fanjakana rehefa zavatra azo hakana doka sy hahazoana tombontsoa politika, toy ny resaka fanatanjahantena. Raha vahaolana maharitra sy tena mipaka amin’ny isam-batan’olona kosa dia  mbola lavitry ny kitay ny afo. Rehefa misy kely hahafahana manao serasera mipoapoaka, toy ilay vidin-tsolika nihena 100Ar toa tsy nampiova na inona na inona, dia mailaka sy miedinedina ery. Indrisy ry vahoaka tsy mandady harona !

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana