Dans la męme rubrique

CNaPS Vontovorona Olona araha-maso miisa 67 no mihiboka eny

28/03/2020

Anisan’ny toerana hametrahana ireo olona araha-maso ara-pahasalamana akaiky amin’izao fisian’ny valan’aretina Coronavirus eto Madagasikara izao ny eny amin’ny fotodrafitrasan’ny

CNaPS Vontovorona Olona araha-maso miisa 67 no mihiboka eny

Hamaky ny tohiny...

Tsena an-davanandro Midangana izay tsy izy ny vidin’ny legioma

28/03/2020

Midangana izaitsizy ny vidin’ny legioma eny an-tsena. 1.000 Ar isan-kilao ny fiarakany raha kely ka tena mampikolay ny isan-tokantrano tokoa .

Tsena an-davanandro Midangana izay tsy izy ny vidin’ny legioma

Hamaky ny tohiny...

Fonjan’antanimora Olona 2 no nahiana ho voan’ny Coronavirus

28/03/2020

Tsy misy olona voan’ny coronavirus ao amin’ny fonjaben’Antanimora hoy ny Ministry ny Ati-tany Tianarivelo Razafimahefa omaly.

Fonjan’antanimora Olona 2 no nahiana ho voan’ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Fizarana zavatra avy amin’ny fanjakana Tsy handray anjara ny Depiote TIM

28/03/2020

Nanapa-kevitra ny tsy hiditra amin'izay mety ho fizarana zavatra na vola avy amin'ny mpanatanteraka ireo solombavam-bahoaka TIM.

Fizarana zavatra avy amin’ny fanjakana Tsy handray anjara ny Depiote TIM

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny tsy fanjariantsakafo Azo ampiasaina ny vokatry ny tany eto amintsika

28/03/2020

Rehefa nahazo ny amboara tompondakan’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo ny filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fihaonana an-tampony faha-33-n’ireo

Ady amin’ny tsy fanjariantsakafo Azo ampiasaina ny vokatry ny tany eto amintsika

Hamaky ny tohiny...

Editions Jeunes Malgaches Hamporisika ny ankizy ho tia mamaky boky

28/03/2020

Hisy boky miisa 6 izay navadika ho feo handeha maimaimpoana isan'andro ao amin'ireo onjam-peo mandrafitra ny “Coalition des radios”, izay maherin` ny 50 isa,

Editions Jeunes Malgaches Hamporisika ny ankizy ho tia mamaky boky

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny mponina Manao “télétravail” avy eny Anosiala

27/03/2020

Somary gaga ihany ireo mpanara-baovao mahita ny tale jeneraly misahana ny fiahiana sosialy misolo tena ny ministra Naharimamy Lucien Irmah isaky misy fivoriana na koa hetsika ataon` ny ministera foibe amin` izao fiatrehana ny “coronavirus” izao.

Minisitry ny mponina Manao “télétravail” avy eny Anosiala

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Colonie de vacances Miteraka olana ny fialantsasatra tsy mitovy

23/07/2019

Ny tontolo iainana, ny fanabeazana ary ny fiarahamonina no tanjona telo napetraky ny CEMEAM, izay fikambanana mikarakara hetsika fialantsasatra iombonana (colonie de vacances).

 

 

 Mbola betsaka ny olona liana amin`izy io saingy manahirana ny fotoana noho ny tetiandrom-pampianarana tsy mitovy,  hoy Ramiaramanana Willy Georges, talen`io ivontoerana io sady mpampiofana eo anivon`ny CEMEAM. Miteraka olana izy io, indrindra eo amin`ny fandaminana anatiny. Marihana fa ireo mpanentana hanaraka ireo ankizy mandritra ny “colonie” dia olona nofaninana manokana momba ny fanentanana sady efa manana traikefa. Ny 04 aogositra ho avy izao no hanainga ho any Fenoarivo Atsinanana ireo ankizy miisa 70 miaraka amin`ireo mpanentana miisa 8 sy mpitsabo 2. Haharitra tapa-bolana izy ity. Tombony ho an`ny ankizy ny fitohizan`ny fianarana any amin`ny fialantsasatra, izay antsoina hoe “vacances educatives”. Mety misy zavatra tsy azo tany an-tsekoly ka hitarina any amin`ny “colonie”, hoy Ramiaramanana Willy Georges. Tombony ihany koa ny fianarana sakafo (education nutritionelle) sy fanabeazana ara-olombelona. Misy ankizy tsy mahay miara-miaina amin`ny namana noho ny fiaviana tsy mitovy. Ny fialantsasatra iombonana rahateo dia mampianatra ny ankizy hahaleotena. Eo ihany koa ny fanabeazana ara-kolontsaina satria hajaina ny fady sy ny fivavahana rehefa fotoana toy izao, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana