Dans la mme rubrique

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

29/09/2020

Nanomboka omaly 28 septambra-04 oktobra ny hetsika fanentanana ny daholobe hiompy sy hanao vaksiny ny alika, ka isan’ny miantsoroka sy manome vahana izany ny Minisiteran’ny fahasalamana. Isan’ny paikady misoroka aretina maro ho an’ny alika ny famosirana azy.

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Zazavavy 14 taona bevohoka tsy fidiny Efa eny Antanimora ilay raim-pianakaviana nanolana azy

23/07/2019

«Bevohoka ilay zazavavy 14 taona, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpanolana». Io no vaovao ofisialin’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fanolanana nitranga tao Manjakandriana.

 

 

Tamin’ny sabotsy teo ny fampiakarana fampanoavana teo Anosy ary miandry ny fitsarana azy eny am-ponja ilay raim-pianakaviana vita soratra sy niteraka roa, hoy ny fampitam-baovaon’ny borigadin’ny zandary ao Manjakandriana.

Araka ny fizahana ara-pahasalamana sy ara-pananahana notanterahin’ny mpitsabo eo amin’ny  ivontoerana Vonjy ao amin’ny hopitaly Befelatanana, mitoe-jaza ilay mpianatry ny sekoly tsy miankina izay taona faha-9 eo am-piomanana hanala fanadinana BEPC. Ankoatra ny fahafaham-baraka, mipetraka ho olana hatrany ny fianaran’ity zazavavy ity, fa irony sekoly tsy milefitra amin’ny mpianatra bevohoka sy miteraka tsy manambady irony ny fitsipika ao aminy.

An-tsitrapo

Raha tsiahivina, naharay fitoriana ny borigadin’ny zandary avy ao Manjakandriana ny 20 jona farany teo mikasika ny fanolanana. Nanatanteraka ny vela-pandrika ny zandary ary tafiditra tao anatin’ny haraton’ny mpitandro filaminana ka voasambotra ilay voapanga ka izao natolotra ny fitsarana izao ny raharaha. Tamin’ny fanadihadiana no nilazan’ilay voarohirohy ho mpanao an-keriny ara-nofo fa an-tsitrapo ny nanatanterarahan’izy ireo ny firaisana ara-nofo.

Araka ny voalazan’ny voapanga hatrany, efa ho roa volana no nifankatiavan’izy ireo, talohan’io firaisana ara-nofo io ka nolazainy fa tsy noterena ity lasibatra fa safidiny an-kalalahana izany. Na an-tsitrapo aza ny firaisana ara-nofo araka ny filazan’ity raim-pianakaviana 25 taona ity, rehefa tsy ampy taona ny zaza izay nahodinkodina dia mihatra hatrany ny lalàna.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana