Dans la mme rubrique

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...

Voasoroka ny loza teny 67 HA Lehilahy nanolana tovolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

22/08/2019

Nitrangana fanolanana tovolahy iray teny amin’ny faritra 67ha afak’omaly atoandro. Lehilahy toa azy ihany koa ilay nanatanteraka ny asa ratsy.

Voasoroka ny loza teny 67 HA Lehilahy nanolana tovolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

22/08/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpitandro filaminana nisahana ny fanadihadiana miady amin’ny heloka bevava ao Toamasina omaly.

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

Hamaky ny tohiny...

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

21/08/2019

Ny iray tamin’ireo jiolahy efatra izay nandratra azy telo mianaka tao Ambondromamy no efa tra-tehaka, raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambondromamy.

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

Hamaky ny tohiny...

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

21/08/2019

Mahatratra 07ha58a71Sa ny velaran’ity tany hanorenan’ny Madagascar Premium Oil (MPO) orinasa ao Tanandava ity.

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina mameno ny tanàna Rongony 300 kg tra-tehaka tany Betroka

21/08/2019

Mihanaka be ny rongony. Andrasana ny fepetra hentitra hanafoanana ity loza mandondona ny firenena ity. Efa hitovy tsy misy valaka amin’ireo tany miady sy hanatanterahana trafikana zavamahadomelina i Madagasikara.

Zava-mahadomelina mameno ny tanàna Rongony 300 kg tra-tehaka tany Betroka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana teny Talatamaty Zazakely roa taona maty tsy tra-drano voahitsaky ny fiarabe

23/07/2019

Fiara lehibe iray no nanitsaka zazavavy kely roa taona teo amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 11 + 800 ny 18 jolay sahabo ho tamin’ny 11 ora sy sasany raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana.

 

 

Notantanan-dreniny izy io no nihemotra tampoka ilay fiarabe teo am-piakarana akaikin’ny orinasa Sabma, fokontany Amborompotsy, kaominina Ambanivohitra Talatamaty, ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Maty tsy tra-drano teo imason’ny reniny niteraka azy ilay zaza.

Raha ny fanadihadihan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohidratrimo izay nanatanteraka ny fizahana ifotony ka nandray an-tanana ny raharaha dia voalaza fa olana mahakasika ny hisatra no nahatonga ny loza. Efa natolotra ny fianakaviany ny razana, taorian’ny fizahan’ny mpitandro filaminana, raha ny fampitam-baovaon’ny zandary avy ao amin’ny kaompania Ambohidratrimo. Nilaza ny mponina eny amin’ny manodidina fa tsy mbola nahitana tranga toy izao teny an-toerana fa vokatr’io fahasimbana tsako-kodiarana io no nahatonga ny loza izay tampoka. Ilay renim-pianakaviana afaka nitsoaka tampoka fa tsy nahavotra ny menaky ny ainy, raha tsy izany saika faty roa sosona no nitranga teo an-toerana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana