Dans la mme rubrique

Ramboasalama Emilien “Mivadika amin`ny teniny ny filoham-pirenena”

22/08/2019

Ny fisian`ny lalana tsara lamina dia antoka mampitony ny sain`ny Malagasy ary mitombin-tsaina izy ireo manao ny asany.

Ramboasalama Emilien “Mivadika amin`ny teniny ny filoham-pirenena”

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany “Tany tan-dalàna eto ka aoka hifanaja”

22/08/2019

“Mahavariana raha nanolotra lehiben`ny mpanohitra ny vondrona parlementera Tiako I Madagasikara”, hoy ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa omaly tetsy amin`ny Antenimieram-pirenena.

Minisitry ny atitany “Tany tan-dalàna eto ka aoka hifanaja”

Hamaky ny tohiny...

Kandida ho ben’ny tanàna Tsy maintsy nahaloa hetra ara-dalàna

22/08/2019

Voafaritra ao anatin’ny didim-panjakana laharana 2019-1541 tamin’ny 14 aogositra lasa mikasika ny fepetra mila fenoin’ireo kandida ny fanamarina fa nandoa hetra ara-dalàna.

Kandida ho ben’ny tanàna Tsy maintsy nahaloa hetra ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Depiote TIM “Tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy izahay”

22/08/2019

Taorian’ny fivoriana niarahanay tamin’ny Birao politikan’ny TIM, dia nanapa-kevitra izahay Vondrona Parlemantera TIM,

Depiote TIM “Tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy izahay”

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

22/08/2019

Lahadinika tamin’ny fivoriambe teny amin’ny antenimieram-pirenena omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana, izay tsy natrehin’ireo depiote mpanohitra dia ny TIM.

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

Hamaky ny tohiny...

Masy Goulamaly “Ilaina ny antoko mpanohitra”

22/08/2019

Raha te hiaina ny demokrasia isika eto Madagasikara dia tokony hisy ny mpanohitra ao amin`ny antenimieram-pirenena. Nitondra ny heviny i Masy Goulamaly,

Masy Goulamaly “Ilaina ny antoko mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Havitrika sa mbola halaina ihany ny mpifidy ?

22/08/2019

Raikitra ihany ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny fifidianana mpanolotsaina amin’ity taona ity taorian`ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana.

Fifidianana ben’ny tanàna Havitrika sa mbola halaina ihany ny mpifidy ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

« Groupement Parlementaire uni pour la Republique » Tsy mametraka olana amin’ny fanendrena ny praiminisitra

23/07/2019

Ny filohampirenena no nifidy sy nametraka ny praiminisitra Ntsay Christian ary mbola nametrahany fitokisana, matoa mbola naveriny tamin’ny toerany.

 

 

Nilaza  ny heviny kosa anefa ny GPR na « Groupement Parlementaire uni pour la Republique », nambaran’Atoa Voninahitsy Jean Eugene, fa tsy mametraka olana amin’ny fanendrena ny praiminisitra ny tenany. Anjaran’ny filoha iny àry izay no safidiny dia ekena tsy asiana adihevitra, hoy hatrany izy. Mikasika ny fanendrena ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta kosa indray dia nilaza izy fa tokony ho teknisianina sy olona mahay ary manana ny maha izy azy no tokony handrafitra izany fa tsy mpanao politika. Ny GPR dia hanolotra olona ho minisitra, ka na dia toerana roa na telo aza no azon’izy ireo dia efa ampy izay, hoy hatrany Voninahitsy Jean Eugene, satria manana olom-boafidy maro ny GPR ary teknisianina ny ankamaroany ary manana traikefa koa.

                        Hiady amin’ny kolikoly

Ankoatra izay, dia vonona ny hiady amin’ny kolikoly ihany koa atoa Voninahitsy Jean Eugene, voafidy tany Maintirano, tamin’ny antoko politika RPSD Vaovao. Nambarany, fa tena nisy ny kolikoly teny amin’ny Antenimieram-pirenena. Nisy malety nihodina teny, hoy izy. Matoa nisy io, dia nisy ny nampilendalenda. Vonona ny hiady amin’izany hatramin’ny farany ny tenany ary hamerina ny hasiny.

Sitraka r.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana