Dans la mme rubrique

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

13/09/2019

Antoko manana solombavambahoaka voafidy eny amin’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ny GJMP « Groupement des jeunes Malgaches Patriotiques” tarihako, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas.

Randrianasolo Jean Nicolas « Hanana kandida manokana ny GJMP »

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

13/09/2019

Tontosa omaly tetsy amin’ny OVEC 67Ha ny fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’i Tovo Rakotojohary, fantatry ny rehetra eo amin’ny tontolon’ny hazakaza-piarakodia na Rallye amin’ny fiantsoana hoe Tovonen.

Fampandrosoana an’i Tanjombato “Rallye vaovao ataoko io”, hoy i Tovonen

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

13/09/2019

Kandida ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina Antehiroka amin’ny anaran’ny antoko TIM Atoa Rajaonera Samy Andrianavalomalala. Tafapetraka teny amin'ny OVEC ny alarobia 11 septambra teo ny taratasy filatsahan-kofidiana miaraka amin’ireo lisitry ny mpanolotsaina TIM miara-dia aminy.

Kandidan’ny TIM eny Antehiroka Vonon-kandresy Rajaonera Samy sy ny ekipany

Hamaky ny tohiny...

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

13/09/2019

Nitohy tamin’ny alalan’ny fanaovana didimpoitra maimaimpoana, ny fanaovana asa sosialy efa fanaon’ny antoko Tiako I Madagasikara, eny Ambohimangakely hatramin’izay.

“Haja boum” Vonona hampandroso an’Ambohimangakely

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

13/09/2019

Niova endrika tanteraka ny tontolo politika ho amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra. Olona tsy mbola re firy tamin’ny politika no natolotry ny antoko 2 sokajiana ho goavana ho kandida ben’ny tanàna dia i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro

Antananarivo Renivohitra Kandida tsy nampoizina ny an’ny TIM sy IRD

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

13/09/2019

Kaominina 560 amin’ny 1695 manerana an’i Madagasikara no tsy misy kandida, kaominina 1369 nahitana lisitra kandida mpanolotsaina fotsiny; ny any ambanivohitra no tena tsy narisika ireo kandida.

Fifidianana Kaominina 560 tsy misy kandida ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...


Politique

Toetry ny olona ho kandida Ben’ny tanàna Azo ifampiresahana, mamaly ny hetahetan’ny vahoaka…

25/07/2019

Hatao tsy ho ela eto amin’ny nosy ny fifidianana Ben’ny tanàna manerana ny faritra.

 

 

 

 Mba hialana sy hisorohana amin’ny feo miely hoe, leo mpanao politika ny vahoaka Malagasy, noho ny fampanantenana poakaty natao taminy, ny fampandriana andrisa tsy tanteraka, koa rehefa tonga ny fampielezan-kevitra dia tonga hanambitamby vahoaka sy hizara zavatra  ireo kandidà amin’izany, dia nahitsy fitenenana ny delegen’ny Boriborintany fahefatra, Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel, fa milà olona manana vinam-piarahamonina, mitsinjo ny vahoaka sy ny tanàna entiny. Azo hametrahana fitokisana. Tsy voafehy  ny resaka politika na antoko politika. Matahotra an’Andriamanitra. Manana ny maha izy azy, mifandray amin’ny olona rehetra, mahay mitantana. Olom-baovao tsy nitakosina tamin’ny raharaha politika. Mahafantatra ny filàn’ny vahoaka ary mahavaly ny hetahetan’izy ireo, mahafehy ny tanàna entina ary mahafehy ny kaomina manodidina sy ny fandraharahana no ilaina amin’izany. Ho an’ny dokotera Christian kosa indray, dia aoka tena hipetraka ny fitiavan-tanindrazana. Rehefa mpanohitra dia milaza ny zavatra tsy mety ataon’ny mpitantana. Tsy ady seza na mpanao politika mitady toerana, fa tokony hosivanina ny tena mpanao politika matanjaka roa na telo dia ampy, fa tsy be tsy andraofana izay mpitady seza fotsiny, hoy izy. Olona tia tanindrazana, olona manana traikefa, mahay mifanaraka amin’ny rehetra. Olona manana vina lavitra hitondrana ny tanàna lavitra no tadiavina sy ilaina amin’izao. Izay mahavita no ilaina ary mahay mifampiresaka amin’ny mpamatsy vola. Izany no toetry ny olona te hilatsaka ho Ben’ny tanàna, izay takian’ny olom-pirenena.

Sitraka r.   

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana