Dans la mme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Mistery any Bealanana Misy hery tsy hita maso manapa-bolo ireo tovovavy…

25/07/2019

« Efa ho roa taona no niandrasan’ny manampahefana hanaporofoana io zavatra mpanapa-bolo amin’ny alina io aty amin’ny faritra Bealanana fa tsy nahitam-bokany.

 

Lazaina fa tontolo ara-panahy tsy misy vatany izy io no miditra ao an-trano mihidy amin’ny alina izay tsy mety porofoina amin’ny siansa ka manahirana ny filazana fa marina na diso», hoy ny manampahefana iray any an-toerana izay niangavy ny tsy hotononina anarana.

Araka ny feo miely eo amin’ny tambajotran-tserasera, indrindra any amin’ny faritra Bealanana, lasibatr’io endrika fanahy tsy misy vatana io avokoa ny ao Ambatosia sy Ankijanimavo. Voalazan’i Jean de Dieu Amizara fa : « Efa an-jatony ireo tovovavy eo anelanelan’ny 12 ka hatramin’ny 20 taona no borin’io tsy manam-batana io amin’ny alina ny volony.» Voalazany hatrany fa miandrandra ny manampahefana hifehy izao toe-draharaha izao fa mandry an-driran’antsy ireo mponina amin’ny distrikan’i Bealanana sy ny manodidina.

Sarotra hamarinina, hoy ny zandary       

Araka ny voalazan’ny mpandinika fomban-drazana sy fiarahamonina tranainy iray : « Matoa matahotra ny olona dia tsy izy no manatanteraka izany. Kanefa misy hetivolo, « sangan-janahary » izay vita tsy natao tokoa, na ataon’ny olon-dehibe fa tsy ampoizin’ny ankizy ka verezina anaty angano izany. Misy dikany avokoa ny hety volo, fahita soritra amin’ny mpanakanto izay maneho ny toerana niaviany sy ny fombany ka mila jerena akaiky ity toe-javatra ity», hoy i Tiana Harilalanjatovo, Antrôpôlôgy. « Efa nanao « recoupement » izahay fa tsy mety voamarina, sarotra noho izy io amin’ny alina sady trano mihidy», hoy ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigadin’ny zandary Bealanana, raha nitafa manokana tamin’ny mpanao gazetinay.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana