Dans la mme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Haino aman-jery tsy manara-dalàna Hiroso amin’ ny fanasaziana amin’izay ny fanjakana

25/07/2019

Nilatsaka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina fa anisan’ny asa lehibe iantsorohan’izy ireo ny fanadiovana ny tontolon’ny haino aman-jery.

 

 

 Tapitra ny fe-potoana nomen’ny minisitera tompon’andraikitra ka hiroso amin’ny fandraisana fepetra manoloana ireo haino aman-jery tsy mahafeno fepetra amin’ny antontan-taratasy napetrak’ireo tompon’orinasa eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Tao anatin’ny dimy taona dia nirarakopana ny fananganana haino aman-jery teto Madagasikara ka tsy nisy intsony ny fijerena ny fenitra sy ny lamina tokony harahina. Momba ny fanarahana ny lalàna mifehy ny tontolon’ny fananganana haino aman-jery, nanamafy ny teo anivon’ny minisitera fa fanamby goavana ny manadio ny tontolon’ny haino aman-jery eto Madagasikara. Tsiahivina fa niisa 180 hatramin’ny omaly ireo onjam-peo sy fahitalavitra tonga nanao fanambarana momba ny antontan-taratasy eo am-pelatanan’izy ireo, teny anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny 10 jolay lasa teo. Nilaza ny teo anivon`ny minisitera tompon’andraikitra fa raha misy tompona orinasan-tserasera tsy ara-dalàna ny fahitalavitra na koa ny onjam-peony dia tokony hampiato ny fandaharana misy ao aminy izy. Tsy hakatona kosa fa hampiatoana ny fandaharana misy aloha satria tsy mety raha tsy mitovy ny mpiantsehatra rehetra.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana