Dans la mme rubrique

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

13/09/2019

Efa nandrasan’ny maro ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana rehefa misy fanafihana. Folo minitra teto dia tonga ny polisy ka tra-tehaka ilay mpanao ratsy.

FANAFIHAN-JIOLAHY AMBOHIMANARINA Manomboka tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana

Hamaky ny tohiny...

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

12/09/2019

Iray tamin’ireo telo namaky loha sy oron’ny lehilahy zokiolona no tra-tehaky ny polisy, taorian’ny fifanenjehana. Fikasana hanendaka ny takarivan’ny voalohan’ny herinandro teo ka namaly ilay rangahy be no fototry ny fandratrana.

Andraharo Tra-tehaka ilay jiolahy mpamaky loha

Hamaky ny tohiny...

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

12/09/2019

Nandritry ny fisafoana nataon'ny ampahany amin'ireo miaramila tarihin'ny Jeneraly William Michel Andriamasimanana lehiben'ny ZRPS Alpha tao amin'ny kaominina Befandriana Atsimo dia hita fa misy asa famotsiana omby halatra amin'ny alalan'ny fanamboarana bokin'omby sandoka izay nataon'olom-boafidy ao an-toerana,

Famotsiana omby halatra 271 Olom-boafidy iray tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Zandarimariam-pirenena Mpiofana 115 napetraka ambany faneva

25/07/2019

Notontosaina omaly alarobia 24 jolay 2019 teny amin’ny Toby Kolonely Mohajy Andriamahasolo, Fort-Duchesne (FIGN) ny lanonana fanehoana ambany faneva ireo miaramila ao amin’ny andiany 2019/1 miisa 115 izay nofanina teo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

 

 

 

 Natao tao amin’ny Holafy fahafito (EP7) Betongolo nandritra ny dimy volana ny fiofanana. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ny Jeneraly Rabehajasoa Andrianarivo, mpandrindra ankapobeny ny asa stratejika eo anivon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny ZP, nisolotena an’Andriamatoa SEG sy ny lefitra voalohany ny komandin’ny zandarimariam-pirenena nisolotena ny COMGN. Teo ihany koa ireo manamboninahitra jeneraly am-perinasa sy ireo efa nisotro ronono, manamboninahitra ambony, manamboninahitra, manamboninahitra lefitra ary manamboninahitra sivily. Marihina fa 241 no isan’izy ireo nisoratra taorian’ny antso ka nihena ho 133 ny tafajanona rehefa vita ny fizaham-pahasalamana ary tamin’ny farany dia izy 115 lahy no voatazona noho ny antony maro. Fantatra ihany koa fa manana fahaizana sy fahamatorana manokana ara-miaramila ireto andiany ireto raha ampitahaina amin’ny zokiny teo aloha satria 53 amin’izy ireo no manana diplaoma Bacc, 03 manana licence, 02 infirmier, 02 manana Bacc+2, 14 informaticien, 02 mécanicien auto ary 03 électricien. Nitsodrano manokana ireo kaomandin’ny hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena. Afaka hanampy amin’ny asa fiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ankoatra ny fanompoan-tanindrazana ireo andiany ireo. 

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana