Dans la mme rubrique

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

22/08/2019

Hita tamina gazety mpiseho isan’andro iray omaly alarobia 21 aogositra ny antso tolo-bidy misokatra amina tsenan’asam-panjakana (Appel d’offre ouvert) mitondra ny laharana 003-DRAHTP/SRTP/BOENY/CP18/FER.2019.

Tsenan’asam-panjakana Misy zavatra tsy mazava momba ny FER

Hamaky ny tohiny...

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

22/08/2019

Mbola banga tanteraka ny toeran’ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA amin’izao, taorian’ny fanesorana an’Atoa Jaomiary Olivier, tale jeneraly teo aloha, taorian’ny filakenkevitry ny minisitra farany teo.

Orinasa JIRAMA Mbola banga ny toeran’ny tale jeneraly

Hamaky ny tohiny...

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanàna, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

22/08/2019

Araka ny vinan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana eo amin’ny fiarahamonina eto an-drenivohitra, izay “ soa iombonan’ny Malagasy”

Soarano sy Behoririka Nodiovina ny tanàna, nakisaka ireo mpivarotra mibahan-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

22/08/2019

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly maraina, ny ambasadaoro vaovaon’i Inde monina sy miasa eto amintsika, Atoa Abhay Kumar.

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

21/08/2019

Nivoaka ny fonjan’Antanimora omaly alatsinainy 20 aogositra tamin’ny 8 ora sy sasany alina Atoa Alain Ramaroson, rehefa notanana teny Antanimora nanomboka ny 3 aogositra 2016

Alain Ramaroson Nivoaka ny fonja

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana misahana ny kolikoly-PAC Raharaha 70 no hotsaraina amin’ity taona ity

21/08/2019

Nisy ny fahatarany teo amin’ireo antontan-taratasy tokony hotsaraina, araka ny fanazavana voaray, noho ny antony tamin’ny fifidianana ireo mpikambana tao amin’ny “Pôle Anti-Corruption” na ny PAC,

Fitsarana misahana ny kolikoly-PAC Raharaha 70 no hotsaraina amin’ity taona ity

Hamaky ny tohiny...

Fadin-tseranana Hanakaiky ny mpanjifa amin’ny laharana maitso

21/08/2019

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia nampahafantatra ny fisian’ny laharana maitso « 360 » ny eo anivon’ny fadin-tseranana Malagasy omaly tetsy Tsaralalàna.

Fadin-tseranana Hanakaiky ny mpanjifa amin’ny laharana maitso

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Naivo Raholdina Mampanahy ny hoavy politikany

29/07/2019

Mampanahy ny hoavy politikan’ny depiote eny amin’ny boriborintany fahadimy eto Antananarivo Atoa Naivo Raholdina taorian’ilay ampamoaka goavana ny faran’ny herinandro teo, izay nilazan’ny fampahalalam-baovao fa tsy atoro voanjo hadiana amin’ny fanodinkodinana tany ny tenany.

 

 

 

 Ny avy amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany no nanao ny ampamoaka nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety, fa maro ny aferan-tany mahasaringotra ity solombavambahoaka IRD ity. Dosie 3 no voalaza fa mahasaringotra azy, ankoatra ireo hafa mbola ao anatin’ny fanadihadiana. Anisan’ireo voatonona ho nanodinkodina ny kianja fanaovana Rugby eny Soavimasoandro, ary nahazo ana hektara maro nampitondraina ny anarana « Fanantenana Hanitriniala », anaran’ny vadiny izy. Voatonona ho atidohan’ny fangalarana ny tanin’ny minisiteran’ny asa vaventy eny Alarobia, tsy ananany taratasy mazava kanefa nanaovana fanorenana tsy nisy fahazoan-dalana, ka nosakanana sy natsahatra. Nirefotra izany ny dosie momba ity depiote ity, izay mety tsy hitsahatra eo. Tsy tongatonga ho azy satria ny fanjakana no manenjika azy na mihevi-tena ho akaiky ny filoha Rajoelina aza ny tenany ka tsy ho azo kitihina. Tsikaritra ho somary ratsy toerana ao anatin’ny antoko satria efa lany tamin’ny fifidianana savaranonando tao anatin’ny vondrona IRD fa hatao filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo, saingy nitsimbadika ny rasa avy eo ka lasan-dRasolonjatovo Honoré ny toerana. Resaka nandeha tetsy Tsimbazaza ny hoe efa nanao “arosage” niantoka 5 tapitrisa ariary nampifaliana ireo depiote izy. Lany ho filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany, saingy mety hitsimbadika ny tantara atsy ho atsy noho ireo dosie mahasaringotra azy. Mety hisy rahateo ny fanovana ny fitsipika anatin’ny antenimiera, ka mety hokitihina hampitoviana amin’ny isan’ny minisitera ho 22 ny isan’ireo vaomiera izay 32 amin’izao. Soso-kevitra efa nandeha ihany koa ny mety handinihana sy hanesorana ny zo tsy azo henjehina, izay entin’ny fanjakana hanehoana sy handresen-dahatra ny mpamatsy vola fa tena miady amin’ny kolikoly. Anisan’ny hopehina ve ny depiote Naivo Raholdina ?

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana