Dans la mme rubrique

Sefo fokontany sy ny mpitam-bola ary ny mpitantsoratra 8 volana tsy nandray tambin-karama

22/08/2019

Mitaraina ny ankamaroan’ireo sefo fokontany sy ny lefiny ary ny fikambanan’ny mpitantsoratra sy ny mpitambola na ny ATS “Association Trésorier Sécretaire”, noho ny tsy fandraisan’izy ireo ny tambin-karama amin’izao.

Sefo fokontany sy ny mpitam-bola ary ny mpitantsoratra 8 volana tsy nandray tambin-karama

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Hafindra eny Isotry avokoa ireo tsy manan-kialofana

22/08/2019

Ho fanadiovana ny tanàna mialoha ny hahatongavan’i Papa François eto an-tanindrazana amin’ny fiandohan’ny volana septambra ho avy io dia nisy ny hetsika notanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ireo tsy manan-kialofana, omaly.

Antananarivo Renivohitra Hafindra eny Isotry avokoa ireo tsy manan-kialofana

Hamaky ny tohiny...

Fampinonoan-dreny Mamonjy aina miisa 800.000 isan-taona

22/08/2019

Araka ny fantatra dia ahafahana mamonjy aina miisa 800.000 isan-taona ny fampinonoan-dreny tsy misy fangarony, ka zaza latsaky ny enim-bolana ny ankamaroan'ireo.

Fampinonoan-dreny Mamonjy aina miisa 800.000 isan-taona

Hamaky ny tohiny...

BORIBORINTANY VOALOHANY Nodiovina ny tanàna

22/08/2019

Norarahana fanafody famonoana bibikely iadiana amin’ny otrikaretina avokoa rehefa voadio ny ankamaroan’ireo tanàna tao amin’ny Boriborintany voalohany, omaly.

BORIBORINTANY VOALOHANY Nodiovina ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Ambohibarikely Paraky Raim-pianakaviana iray maty voatsatok’antsy

22/08/2019

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona omaly maraina no efa hitan-janany nitsitra tsy nisy fofon’aina intsony tetsy amin’ny tranompatin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

Ambohibarikely Paraky Raim-pianakaviana iray maty voatsatok’antsy

Hamaky ny tohiny...

Rano fisotro madio Mbola maro ny ezaka ho an’Atsimondrano

21/08/2019

Sarotra ny mahazo rano fisotro madio eny anivon’ny distrikan’Atsimondrano na dia kilometatra vitsy miala amin’ny renivohitra aza. Maro ny tantsaha kanefa misy ny tanimbary maina tahaka ny eny amin’ny faritra Amboanjobe izay mampihen-danja ny famokarana.

Rano fisotro madio Mbola maro ny ezaka ho an’Atsimondrano

Hamaky ny tohiny...

Aretina diabeta Tokony hotiliana isan-taona farafaharatsiny

21/08/2019

Aretina mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana ny diabeta raha tsy voatsabo.

Aretina diabeta Tokony hotiliana isan-taona farafaharatsiny

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Ady amin’ny fahantrana Ny toe-tsaina sy ny rafitra ifotony no tokony homena lanja

29/07/2019

Tsy midika akory fa tsy maintsy voretra, fa ny toe-tsaina no tokony hamboarina ary ny rafitra eny ifotony toy ny fokontany dia tokony homen’ny fanjakana fahefana feno amin’ny fanaraha-maso sy ny fampandrosoana ny faritra misy azy.

 

 Fa tsy napetraka fotsiny ho mpanatanteraka baiko avy any ambony toy ny fanaovana “recensement”, fanomezana fanamarinam-ponenana, mpizara kara-pifidianana fa tsy misy misy asa fampandrosoana vitany mivaingana azo tsapain-tanana. Ny fahadiovan’ny faritra tsirairay dia mariky ny fandrosoana eo amin’ny fokontany, faritany ary ny firenena fa tsy rehefa tonga ny 26 jona na andro hafa ankalazana vao entanina ny olom-pirenena hanao fanadiovana faobe na misy valan’aretina miseho  toy ny pesta vao manentana ny vahoaka hanadio ny tanànany sy ny faritra misy azy. Ny fahadiovana dia tokony hiainana isan’andro  ny olom-pirenena tsirairay avy fa tsy amin’ny andro iray ihany. Noho izany, andraikitry ny fanjakana no manentana ny vahoaka amin’ny haino aman-jery rehetra isan’andro amin’ny fanadiovana ny tanànany. Mamoaka didy, asa tsy maintsy tanterahin’ny sefo fokontany rehetra ary omena sazy ireo tsy manara-dalàna. Ohatra, raha misy olona manorina trano dia tsy maintsy miaraka amin’ny trano fivoahana iny ary ny fokontany no manara-maso izany  sy mampihatra ny sazy ho an’ireo mafy loha ka efa nomena fampitandremana. Marihina fa ny fanjakana no mametra  ny sandam-bola eo amin’io sazy io. Misava ny tanàna tsirairay sy ny manodidina azy amin’ny fahadiovana. Ny lehiben’ny fokontany no mitsinjara ny karitie ao amin’ny faritra iadidiany, ka omena loka ny “secteur” madio indrindra hoentin’ireo vahoaka ao amin’ny karitie misy azy hanatsarany ny faritra ipetrahany ary omena sazy kosa ireo “secteur” tsy mivaky loha. Ireo olona tratra mandoto sy manary fako eny an-dalambe eo amin’ny fokontany ipetrahany dia saziana avy hatrany (ndlr: mandroaka ny loto nataony na ampandoavina lamandy eo no ho eo). Lasa mifampitaiza ny olom-pirenena ary saro-piaro amin’ny faritra sy ny fokontany misy azy. Dia toy izany koa ny tsena sy ny arabe iray izay andraikitry ny kaominina no manabe sy manara-maso izany, toy ny fokontany, izany hoe, atao raikitra ny toerana hivarotan’ny mpivarotra tsirairay ary izay tratra tsy manadio ny faritra ivarotany na mamela ny fakony teo amin’ny toerana nipetrahany dia omena ny sazy na tsy mahazo mivarotra mandritra ny andro vitsivitsy, fa raha mbola  be di-doha dia tsy mahazo mivarotra intsony. Ny sefo fokontany manana ny tsenam-pokontany, ny tsenaben’ny kaominina ary amin’izay fotoana izay, dia samy tompon’andraikitra daholo ny olom-pirenena rehetra. Hevitry ny mpanabe, mpampianatra ary talen’ny sekoly ireo.

Sitraka r. 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana