Sosialy
Fitaovam-pianarana feno Ny 25 %-n’ny ray aman-dreny ihany no mahavidy
29/07/2019
Ny 25 %-n’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ihany isaky ny fanombohan’ny taom-pianarana ho an’ireo sekolim-panjakana no mahavita mividy fitaovam-pianarana feno ho an-janany.
Ny ankoatra izay dia mandeha miandalana avokoa raha misy tsy mahafeno izany mihitsy ny sasany noho ny fahasahiranana. Miteraka olana goavana ho an’ny sekoly anefa ireny amin’ny ankapobeny, indrindra fa ho an’ireo mpianatra. Mba hahafahana misoroka izany dieny mialoha sy ho fitsinjovana ireo mpianatra ao amin’ny taona fahadimy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE dia tonga nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatry ny EPP Ambohibato Ambohimanambola ny fikambanana Ank’izy ny faran’ny herinandro teo. Narahina fanolorana tablety ho an’ireo ankizy mahay indrindra isan-kilasy ho fankasitrahana azy ireo. Raha araka ny fantatra dia mbola hitohy amina sekoly ambaratonga fototra miisa 30 eto an-drenivohitra ny hetsika ho fitsinjovana ireo ankizy madinika sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra.
Pati