Dans la mme rubrique

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...

Voasoroka ny loza teny 67 HA Lehilahy nanolana tovolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

22/08/2019

Nitrangana fanolanana tovolahy iray teny amin’ny faritra 67ha afak’omaly atoandro. Lehilahy toa azy ihany koa ilay nanatanteraka ny asa ratsy.

Voasoroka ny loza teny 67 HA Lehilahy nanolana tovolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

22/08/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpitandro filaminana nisahana ny fanadihadiana miady amin’ny heloka bevava ao Toamasina omaly.

Savorovoro tany Toamasina Tsy nahitana porofo ilay resaka karandoha

Hamaky ny tohiny...

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

21/08/2019

Ny iray tamin’ireo jiolahy efatra izay nandratra azy telo mianaka tao Ambondromamy no efa tra-tehaka, raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambondromamy.

Ambondromamy Tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nidaroka ireo telo mianaka

Hamaky ny tohiny...

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

21/08/2019

Mahatratra 07ha58a71Sa ny velaran’ity tany hanorenan’ny Madagascar Premium Oil (MPO) orinasa ao Tanandava ity.

Mitaraina ny tompon’ny MPO Toamasina “Fampiasam-bola 6 tapitrisa dolara izao somparan’ny fanjakana izao”

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina mameno ny tanàna Rongony 300 kg tra-tehaka tany Betroka

21/08/2019

Mihanaka be ny rongony. Andrasana ny fepetra hentitra hanafoanana ity loza mandondona ny firenena ity. Efa hitovy tsy misy valaka amin’ireo tany miady sy hanatanterahana trafikana zavamahadomelina i Madagasikara.

Zava-mahadomelina mameno ny tanàna Rongony 300 kg tra-tehaka tany Betroka

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Antananarivo Kitoatoa tanteraka ny hidim-baravaran’ny taksibe maro

29/07/2019

Misy mampiasa karetsaka na tsy fiarakaretsaka aza ireo taksibe. Maro amin’ny varavaran’izy ireny no tsikaritra fa misy fahasimbana. Ao ny tsy mety mihidy ka tazonin’ny resevera amin’ny kofehy ary

 

 

 

 

 

mindrana mpandeha amin’ny seza aoriana rehefa mitaky saran-dalana izy ireo. Misy kosa anefa ny tsy mety mivoha ka ny mpamily mpanampy no midina avy ao anaty varavaram-pitaratra na miantso

ny mpamily ary misy aza ireo mpandeha an-tongotra no indramina. Midika izany fa raha tojo ny patsa iray tsy omby vava, indrindra raha firehetana dia kitoza avokoa ny mpandeha. Maro amin’ireo taksibe

ireo no lazain’ny namany ihany fa vatam-paty vy mandehandeha. Ny loto sy ny voronkitsain’nyfipetrahana ary ny fandihizan’ny seza efa tsy lazaina intsony. Mifanilika ny mpamily sy tompona fiara sendra ny mpanao gazetinay. “Mandray “versement” fotsiny fa tsy manamboatra fiara, mpanankarena mahihitra ny lehibenay. Isaky ny tenenina mba hanamboatra fiara dia tezitra foana”, hoy ny mpamily fiara iray. Nilaza kosa anefa ny tompona fiara iray fa : “Latsaka noho ny an’ny rehetra ny anay ny vola alaina amin’ny mpamily sy mpanampy azy isan’andro fa raha misy fahasimbana ny fiara dia izy ireo no manamboatra mba hitandreman’izy ireny”, hoy i Aimé Bienvenue, tompona fiara. Ny motera sy ny vatan’ny fiara no lazain’ity farany fa isaky ny taona vitsy ihany no iandraiketany.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana