Dans la mme rubrique

AMNESTY INTERNATIONAL

08/11/2019

Notehafan’ny fikambanana iraisam-pirenena Amnesty International ny fidinan-dRajoelina nijery ny fonja.

AMNESTY INTERNATIONAL

Hamaky ny tohiny...

OLON-DRATSY TAFIDITRA AMINA FIVORIANA

07/11/2019

Mbola tafiditry ny olon-dratsy hatrany ny fihaonana lehibe iraisam-pirenena toy izay nitranga nandritry ny fihaonan’ny sehatra tsy miankina afrikanina tetsy amin’ny CCI Ivato omaly.

OLON-DRATSY TAFIDITRA AMINA FIVORIANA

Hamaky ny tohiny...

TSY MANAIKY PYLONE

06/11/2019

Mbola nanamafy ny fitokonana indray ireo mponina teny Ambohidraserika Mahazoarivo izay tsy manaiky ny hametrahana « pylône » an’ny Telma eo amin'ny tanàna.

TSY MANAIKY PYLONE

Hamaky ny tohiny...

JEAN LOUIS ROBINSON

31/10/2019

Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara monina sy miasa any amin’ny repoblika entim-bahoakan’i Chine ny Dr Jean Louis Robinson.

JEAN LOUIS ROBINSON

Hamaky ny tohiny...

HAMALY BONTANA IREO MPIVAROTRA SOLIKA

30/10/2019

Hamaly tsy ho ela ny governemanta, indrindra fa ny ministeran’ny angovo ny fikambanan’ny mpivarotra solika eto Madagasikara.

HAMALY BONTANA IREO MPIVAROTRA SOLIKA

Hamaky ny tohiny...

AFRIKANINA MPIVAROTRA RONGONY

29/10/2019

Teratany afrikana roa no nosamborina tetsy Faravohitra noho ny fanaovana trafikan-drongony avo lenta na « drogues dures ».

AFRIKANINA MPIVAROTRA RONGONY

Hamaky ny tohiny...

FIFAMOIVOIZANA Feno kamiao miditra eto an-drenivohitra amin’ny ora tsy

18/10/2019

voafetra. Izany no isan’ny miteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana manerana ny tanàna.

FIFAMOIVOIZANA Feno kamiao miditra eto an-drenivohitra amin’ny ora tsy

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

NANDRIAKA NY RA

29/07/2019

Nandriaka ny ra tamin’iny faran’ny herinandro iny. Raha ny teo anivon’ny zandarimaria manokana dia efa tafiakatra maherin’ny efapolo ny isan’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga.

 

 Anisan’ny akaiky indrindra ny renivohitra ary nahaontsa ny olona maro ilay tetsy Ambatonapoaka ny marainan’ny sabotsy teo. Anio no halevina ireo mpivady izay niara-maty tao anatin’ilay 4x4 izay nivadibadika rehefa vaky kodiarana tampoka teny am-pandehanana. 


GABORARAKA NY HAINO AMAN-JERY

Gaboraraka tanteraka ny tontolon’ny haino aman-jery eto amintsika. Amin’ireo « licence » izay miisa 235 izay manan-kery amin’izao fotoana dia marobe amin’ireo ny tsy manara-dalàna akory ary tamingan-taratasy dia efa nahasahian’ireo tompony nanokatra ny fahitalavitra na ny onjam-peony. Tsy nisy tsy nibizna izany ny minisitry ny serasera nifandimby teto niaraka tamin’ny ekipany, raha jerena akaiky ny raharaha. 

 DEPIOTE TSY MANAIKY

 Efa misy sahady ireo depiote tsy manaiky ny hanitsiana indray ny lalàna mifehy ny mpanohitra. Ny fampiharana ny lalàna efa misy no tokony hatao fa tsy ny fanitsiana azy. Misy amin’izy ireo no eo anivon’ny antoko TIM ary misy koa ny avy amin’ny antoko tsy miankina izay miara-miombon-kevitra amin’izany. Efa ho dimy taona izao no niandrasana ny didy fampiharana ity lalàna ity kanefa tsy mety tontosa.

AHOANA NY FITSENANA IREO ATLETA ?

Tsy mba misy mihitsy hatreto ny hetsika mifandraika amin’ny fitsenana ireo mpilalao malagasy niatrika ny lalaon’ny nosy tatsy Maorisy. Efa tena nanao ezaka mafy anefa ny mpilalaontsika ary nahazo medaly volamena 47 izy ireo ka nitarika ny laharana faharoa. Io no medaly betsaka indrindra azontsika hatramin’izay ary efa tokony hipetraka ao anatin’ny tantara. Ahiana hody maina ireo mpilalao raha izao fahanginana izao. 

FATY OLONA TAMIN’NY 26 JONA

Tsy mbola nisy mangirana ny fanadihadiana momba ny tranga nahafaty olona teny Mahamasina ny 26 jona teo. Niezaka nanatona ireo tompon’andraiki-panjakana ireo fianakaviana niharam-boina fa toa tsy mbola nahita valiny ho azy ireo. Hatreto, tsy mbola nisy na dia iray aza voasambotra momba ity raharaha ity kanefa dia ampolony maro no namoy ny ainy ary zazakely ny ankabeazany. Tsy mba hiova sy hivoatra mihitsy ny fanadihadiana eto Madagasikara.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana