Dans la mme rubrique

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

16/09/2019

Ity fifidianana ho avy ity no hamaritra indray ny politika eto Madagasikara, hoy ny kandida ho mpanolontsain’ny tanàna eto Antananarivo, Nantenaina Rakotonirina, raha nanontaniana mikasika ny fahitany izany fifidianana izany.

Fifidianana ho avy “Hamaritra ny politika eto Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

16/09/2019

Miisa 6 129 ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho ben`ny tanàna voarain`ny CENI. Nahitana kandidà avokoa ireo kaominina miisa 1695 manerana ny nosy.

Fifidianana amin`ny ampahany Kaominina roa no tsy nahitana kandidà mpanolotsaina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

16/09/2019

Hita taratra amin’izao filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna izao ny tsy fahatokisana intsony ny hisian’ny lalao madio.

Be loatra ny ahiahy Ahiana hikorontana ny fifidianana

Hamaky ny tohiny...

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

16/09/2019

Amin ny talata 24 septambra ho avy izao ny lisitra ofisialy avy amin’ny CENI. Ny tatitra ofisialy no hahafantarana ny isan`ny kandidà narotsaky ny antoko, tsy miankina, lehilahy sy vavy, ny andraikitriny avy.

IEM Efa tsy maharesy lahatra intsony

Hamaky ny tohiny...

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

16/09/2019

Mandeha ny kajikajy politika amin’ny resaka fifidianana ben’ny tanàna izay hatao tsy ho ela.

Kajikajy politika Sefo fokontany 5 indray nesorina

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

16/09/2019

Hitondra ny anjara birikiny ao amin’ny kaominina Arivonimamo, ny kandida Rarija Rajo Tsiferantsoa, izay nanatitra ny taratasy filatsahan-kofidiana tao amin’ny OVEC tao Arivonimamo, ny zoma lasa teo

Arivonimamo Hohavaozina ny seranam-piaramanidina

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

13/09/2019

Tafapetraka teo anivon’ny OVEC Antsirabe voalohany ny antontan-taratasy maha kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara an’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa Efa vonona ny fanarenana an’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fametrahana PDS Ilaina rehefa mikorontana ny firenena saingy…

30/07/2019

Ny 15 septambra 2015 no nametrahana tamin`ny fomba ofisialy ireo ben`ny tanàna izay mbola mitantana ny kaominina rehetra manerana ny nosy.

 

 

Noho izany, ny 15 septambra 2019 no tapitra ny fe-potoana izay nitondran`izy ireo ny kaominina. Miandry ny fanapahan-kevitra avy amin`ireo ben`ny tanàna sy mpanara-baovao politika ahafahany mandray fepetra amin`ny firotsahan-kofidiana amin`ny fifidianana ben`ny tanàna. Hatreto anefa dia tsy misy izany ary azo antoka fa hanemotra io vinavina natolotry ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) io ny fitondram-panjakana, hoy i Marc Ramiaranjatovo, ben`ny tanànan`i  Alasora. Mety tsy amin`ity taona ity satria hiditra fotoam-pahavaratra isika, hoy izy. Mety hiteny ny fitondrana fa ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa dia natao volana desambra. Raha izao fandaminana izao dia mety amin`ny herintaona amin`ny volana mey na jona no azo eritreretina. Mandeha ny resaka fa fitsapan-kevi-bahoaka no mety hiroso aloha satria io no heverin`ny fitondram-panjakana fa laharam-pahamehana ny fanovana ny lalàmpanorenana. Nambarany fa ny asa fampandrosoana tsy maintsy mandeha. Manomboka ny 16 septambra hatramin`ny fifidianana dia anjaran`ny fanjakana no mitady ny fomba hitondrana ireo kaominina eto Madagasikara. Ilaina ny fanohizana ny asa atao ka na tovanana ny fe-potoam-piasan`ny ben`ny tanàna na ny fametrahana delegasiona manokana. Mahakasika ity farany ity, dia miankina amina zavatra roa ny fametrahana azy. Na maty ilay ben`ny tanàna dia soloina delegasiona manokana (PDS). Na koa fe-potoana mikorontana ao anatin`ny firenena iray ka mandray fepetra ny fanjakana. Ny zava-misy amin`izao anefa dia milamina ny firenena ary mbola velona avokoa ny ben`ny tanàna sady vonona hiasa, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana