Dans la męme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fiara hanenjehana dahalo Tsy tonga any amin’ny tena mila azy akory ?

30/07/2019

Namparomotra ny dahalo ny fampirantiana ireo fiara tsy mataho-dalana nefa tsy tonga any ifotony ihany hatramin’izao raha ny fandiniky ny mpitandro filaminana sasany.

 

 Tsy tonga any amin’ny tena mila azy ny fiara vaovaon’izy ireo, raha ny fitarainan’ireo miasa any amin’ny tany lavitra andriana sy faritra mena. Ekena, hoy hatrany ireo namatsy vaovao, fa mbola eo am-pandaminana ny tompon’andraikitra, kanefa iray volana aty aorian’ny fetim-pirenena izay nampisehoana ireo fiara teny Mahamasina mbola vitsy no nahazo izany fa tsy araka ilay isa navoaka tamin’ny haino aman-jery.

Samy niezaka efa nizara izany fiara avy amin’ny fitondram-panjakana izany anefa ny manampahefana ambony tahaka ny teo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary ny Tafika Malagasy fa mety misy  ihany koa ireo tsy mahandry lahatra. Raha ny fampitam-baovaon’itsy farany izao dia natolotry ny Jeneraly Richard Rakotonirina, minisitry ny fiarovam-pirenena ho an’ny Tafika Malagasy omaly alatsinainy 29 jolay 2019 tamin’ny fomba ofisialy ireo fiara tsy mataho-dalana.  Nomarihin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena hatrany fa ireto fiara ireto dia hiparitaka amin’ireo toerana saro-dalana misy ny ZRPS manerana ny Nosy ary koa hapetraka amin’ireo faritany miaramila samy hafa hanaovana fisafoana.

Haja Nirina

 

 



 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana