Dans la męme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Zazamenavava nariana tao an-gabone Noraisim-potsiny ny reniny, karohina ny nahabevohoka azy

30/07/2019

Mora nokarohina ilay reny nahavanon-doza raha ny fampitam-baovao avy any Betroka.

 

 

 

 Vao azo tao an-gabone ny alin’ny 20 jolay teo ilay zaza dia nanadihady tao Betroka ny mpitandro filaminana nitady izay vehivavy bevohoka nefa tsy nitaiza. Noho ny maha reny tera-bao azy izay atahorana amin’ny fahaverezan-dra sy ny sovoka dia tsy nalefa fampanoavana avy hatrany. Tanjona ny hialana ny fampidirana am-ponja vonjimaika ilay vehivavy mbola marefo ka niandry azy natanjaka afaka herinandro vao nakarina fitsarana. Karohin’ny manampahefana koa amin’izao ilay lehilahy nahabevohoka azy. Marihina fa avotra ilay zaza saingy andro vitsy taty aoriana dia maty. 

Navotana mpanao gazety

I Renaud Hubert Herinandraina no niezaka nanavotra ilay zaza tao anaty WC ny misasakalin’ny 20 jolay, raha nikiakiaka nitomany. Nomeny anarana hoe : “Saphirah Narovanjanahary” ilay zaza ary voalazan’ity namana mpanao gazety ity fa efa niraiki-po taminy saingy andro vitsy taty aoriana dia tsy azo.

 Nalahelo mafy aho fa efa nifanakahazo am-po ery izahay mianaka, kinanjo tsy afa-manoatra fa nodimandry i Saphirah kely”, hoy ity mpilaza vaovao ity sady tompon’andraikitra eo amin’ny FLM Katedraly Tranovato Betroka. Tsiahivina moa fa vao azo tao an-gabone ilay zaza dia nentina tany amin’ny Ivontoeram-pitsaboana mba hodiovina sy homena ny sakafo ary ny hery fiarovana sahaza azy.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana