Dans la mme rubrique

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

16/09/2019

Nandondona ireo jiolahy izay nilaza fa mila vonjy avy amin’ny Pastera fa misy marary. Vao nivoha ny varavaran’ity farany dia tifitra variraraka no notanterahin’ireo amboadia mitafy hodi-janak’ondry.

Manjakandriana Pastera iray notifirin’ny dahalo

Hamaky ny tohiny...

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

16/09/2019

Saron’ny polisim-pirenena avy ao Ambanja tao amin’ny fokontany Androhibe ny 10 septambra lasa teo ny lehilahy iray nitondra basy vita gasy sy kara-panondro hosoka miisa roa ary famahana hidin-

Androhibe Ambanja Tra-tehaky ny jiolahy nirongo basy saika hamaky trano

Hamaky ny tohiny...

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

13/09/2019

Nitrangana hain-trano tao amin’ny distrikan’Antalaha. Trano manodidina ny 430 tafo no indray kila sy hotohoton’ny afo. Tao amin’ny fokontany Antanandavabe, kaominina Ambalabe, distrikan’Antalaha, faritra SAVA, no nirangan’ny loza.

Antalaha Trano 430 may hotohoton’ny afo

Hamaky ny tohiny...

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

Hamaky ny tohiny...

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

13/09/2019

Mikolay tanteraka ny mponina amin’ny faritra anelanelan’i Tsaratanana sy Anjozorobe. Nanamparan’ny dahalo ny heriny tanteraka Ambakireny,

TSARATANANA SY ANJOZOROBE Miverina amin-kery ny asan-dahalo

Hamaky ny tohiny...

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

13/09/2019

Halatra vatoaratra fiara Nifanenjehan’ny fokonolona eran’Anosibe sy Andavamamba ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanondranana olona mankany Arabia Saodita 6 hetsy ariary isaky ny vehivavy no tangosan’ny mpanao trafika

30/07/2019

Vola 600.000 ariary isan’olona no alain’ny mpanondrana tamin’ireo tovovavin’ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy, araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena.

 

 

Ny alakamisy 25 jolay teo, vehivavy roa mpanondrana olona ho any Arabia Saodita no voasambotry ny polisin’ny SCES na service central des enquêtes spécialisées. Teny Andraisoro no tafiditra tao anatin’ny vela-pandrika ireto mpanao trafika ireto. Olona tsara sitrapo no namatsy vaovao ny mpitandro filaminana fa nahitana vehivavy roa manangona olona alefa any ivelany eny amin’iny faritra Andraisoro iny. Nanokatra ny fanadihadiana ny polisy ka voamarina teny an-toerana izany.

Sarika am-pandriana

Tamin’ny 5 ora maraina ny ekipan’ny polisin’ny SCES no nidina teny an-toerana io alakamisy io nisava trano ka tra-tehaka tamin’ny sarika am-pandriana ny vehivavy dimy. Ny iray tamin’ireo no fantatra, araka ny fanadihadiana fa mpikarakara ny taratasy handehanana any am-pitandranomasina. Avy any amin’ny faritra Sambava sy Vohémar ary Andapa no fiavian’ireto vehivavy ireto ary efa herinandro no nahatongavany teto an-drenivohitra. Vehivavy iray mpifanolo-bodirindrina amin’izy ireo ihany koa no nosamborina noho ny firaisana tsikombakomba tamin’io raharaha io. Mbola misy namany hafa karohina hatrany raha ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana