Dans la mme rubrique

Ramboasalama Emilien “Mivadika amin`ny teniny ny filoham-pirenena”

22/08/2019

Ny fisian`ny lalana tsara lamina dia antoka mampitony ny sain`ny Malagasy ary mitombin-tsaina izy ireo manao ny asany.

Ramboasalama Emilien “Mivadika amin`ny teniny ny filoham-pirenena”

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany “Tany tan-dalàna eto ka aoka hifanaja”

22/08/2019

“Mahavariana raha nanolotra lehiben`ny mpanohitra ny vondrona parlementera Tiako I Madagasikara”, hoy ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa omaly tetsy amin`ny Antenimieram-pirenena.

Minisitry ny atitany “Tany tan-dalàna eto ka aoka hifanaja”

Hamaky ny tohiny...

Kandida ho ben’ny tanàna Tsy maintsy nahaloa hetra ara-dalàna

22/08/2019

Voafaritra ao anatin’ny didim-panjakana laharana 2019-1541 tamin’ny 14 aogositra lasa mikasika ny fepetra mila fenoin’ireo kandida ny fanamarina fa nandoa hetra ara-dalàna.

Kandida ho ben’ny tanàna Tsy maintsy nahaloa hetra ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Depiote TIM “Tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy izahay”

22/08/2019

Taorian’ny fivoriana niarahanay tamin’ny Birao politikan’ny TIM, dia nanapa-kevitra izahay Vondrona Parlemantera TIM,

Depiote TIM “Tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy izahay”

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

22/08/2019

Lahadinika tamin’ny fivoriambe teny amin’ny antenimieram-pirenena omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana, izay tsy natrehin’ireo depiote mpanohitra dia ny TIM.

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…

Hamaky ny tohiny...

Masy Goulamaly “Ilaina ny antoko mpanohitra”

22/08/2019

Raha te hiaina ny demokrasia isika eto Madagasikara dia tokony hisy ny mpanohitra ao amin`ny antenimieram-pirenena. Nitondra ny heviny i Masy Goulamaly,

Masy Goulamaly “Ilaina ny antoko mpanohitra”

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Havitrika sa mbola halaina ihany ny mpifidy ?

22/08/2019

Raikitra ihany ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny fifidianana mpanolotsaina amin’ity taona ity taorian`ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana.

Fifidianana ben’ny tanàna Havitrika sa mbola halaina ihany ny mpifidy ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fivoriana maika tany an-dapa Hosoloina PDS ny ben’ny tanàna rehetra ?

31/07/2019

Loharanom-baovao azo halina no naharenesana fa nandeha ny fivoriana tany amin’ny Primatiora nisian’ny fikaonan-doha niarahan’ireo minisitra voakasika handraisana fanapahan-kevitra momba ny toe-draharaha politika, indrindra fa ny fanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna.

 

 

 

 Tsy mbola te hiroso amin’io ny fitondram-panjakana ary nivoitra tao anatin’izany, raha ny loharanom-baovao hatrany fa hahemotra amin’ny taona ho avy aloha ny fifidianana. Re fa hiroso amin’ny fametrahana Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS satria ho tapitra ny 22 septambra izao ny fe-potoana hiasan’ireo ben’ny tanàna voafidy, ka ny fanjakana no tompon’ny teny farany na hanolo ho PDS azy ireo ben’ny tanàna 1695 na hamoaka didim-panjakana manalava ny fe-potoana hiasan’izy ireo. Ilay hevitra voalohany izany no hirosoana, ary mety hatao haingana dia haingana io. Olom-panjakana any amin’ireo kaominina no mety hotendrena amin’izany toy ny mpampianatra, dokotera,… Ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra kosa, fanendrena manokana mihitsy no hatao, raha ny loharanom-baovao. Io no tena ifantohan’ny sain’ny maro satria ivon’ny fampihodinana an’i Madagasikara i Antananarivo, ary tandindon’ny fifandanjan-kery ara-politika ihany koa. Mety ho amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra no hiaingan’ny fanendrena ka sady hamoaka ny didim-panjakana hanemorana ny fifidianana no hanendry PDS ny fanjakana. Manana 6 volana eo ny olon’ny mpitondra hitantana ny kaominina hametrapetrahany ny kajy politikany handresena amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Matetika rahateo ireny PDS ireny ihany no lasa kandida avy eo.  Andrasana manomboka anio izay mety hitranga satria mandeha ny fivoriana sy ny fikaonan-doha samihafa ataon’ny mpitondra, izay mety hisiana fanapahan-kevitra tampoka tsy ampoizina. Raha halalinina io, dia miezaka hatrany mametraka sy mifehy ny fahefam-panjakana, izay toa mivangongo amin’ny antokon’ny fitondrana sy baikon’olon-tokana ny fanjakana Rajoelina.

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana